airtel

Sosialy

05-janv-2024

Trangam-piarahamonina

Fatin-dehilahy roa hita teny Ampitatafika sy Ankorondrano

Sample post image

Faty roa no indray hita tamin’ny toerana roa samihafa teto

05-janv-2024

Antananarivo sy ny manodidina omaly 04 janoary 2023 maraina. Lehilahy hita faty teny Ankaditany Ampitatafika akaikin’ny Lisea Ampitatafika. Tsy nisy nahafantatra azy ary tsy nahitana taratasy mombamomba azy. Efa nisy ny fitsirihana nataon’ny mpitandro ny filaminana sy ny mpitsabo. Olona iray hafa ihany koa no hitan’ny olona tao anaty rano teny Antsahatsiresy Ankorondrano ny andron’ny omaly 04 janoary hatrany. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy ireo, fa ilay teny Ampitatafika dia notombanan’ny olona ho voadonan’ny fiara ka maty, ary nariana teny an-toerana. Tsy vao sambany amin’ny fahitana tranga hafahafa momba na fatin’olona mihampatrapatrampatra etsy sy eroa ireny. Sanatria toa matimaty foana ny Malagasy, tsy milamina ny tany, ka tsy fantatra intsony na noho ny tsy fandriampahalemana na noho ny fahantrana lalina, na koa famonoan-tena noho ny adim-piainana.
Toky R

 

Dans la même rubrique