airtel

Sosialy

16-mars-2021

Sosialy

Trano fiantohana Aro Namorona ny tolotra ho an’ireo mpanjifa stratejika

Sample post image

Nampahafantarin’ny Orinasam-piantohana Aro tamin’ny fomba ofisialy omaly 15 martsa ny fitsanganan’ny

16-mars-2021

 « Pôle Grands Comptes”, rafitra iray natokana ho an’ireo mpanjifa stratejika na mpanjifa lehibe. Nanatrika io lanonana io tetsy Antsahavola ny Tale Jeneralin’ny Aro Rtoa Lantonirina randrianary sy ny Filohan’ny Filankevi-pitantanana Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison. “Hikarakarana manokana ireo mpanjifa stratejika ireo izahay, ary tsy izay ihany fa hijerena hoe inona ny zavatra ilain’izy ireo amin’ny lafiny fiantohana, hanome tolotra sy vokatra fantatray fa mifandraika amin’ny filany”, hoy ny Tale Jeneraly Rtoa Lantonirina Randrianary. Naneho izy, fa tao anatin’ny 45 taona nisiany, dia nipetraka ho fitaratra sy nametraka tantara hatrany tamin’ny tontolon’ny fiantohana ny aro. Tsotra ny fahombiazana, dia ny fanomezan-danja ny mpanjifa tsy ankanavaka, raha ny fanazavana. Naneho kosa ny Talen’ny Pôle Grands Comptes Atoa Rianando Rakotoarimanga, fa ny tontolon’ny fifaninana ankehitriny dia mandrisika ny orinasa hanatsara sy hanavao hatrany ny paikady hanomezana tolotra sy fahafaham-po ho an’ny mpanjifa, ka vonona tanteraka hamaly ny hetahetan’ireo mpanjifa stratejika araka ny filana tena mifanaraka amin’ny tsirairay izy ireo. Mampitombo hatrany ny tolotra, ka isan’ny tetikasa mandeha amin’izao fotoana izao ny “digitalisation”, ny namoronana ny “Assurance Indicielle Agricole” nanomboka ny novambra 2020 izay fiantohana voalohany momba ny fambolena eto Madagasikara iaraha-miasa amin’ny GIG sy ny PAM,… “56% amin’ny tsenan’ny Fiantohana eto Madagasikara, dia miaraka amin’ny Aro. Mandoa lavitra izahay noho ny sasany izay minia tsy mandoa lasa miteraka olana ho anay, alohanay ara-dalàna rehefa mifanandrify amin’ny voalazan’ny fifanarahana sy ny lalàna” , hoy Atoa kosa Rajaonarison Eugène Tale Ara-barotra.

Toky R

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap