ny lela-vola tokony alohan’ireo hisitraka izany amin’ny fitondram-panjakana isam-bolana ka mahatratra 15 taona no faharetan’izany. Izany hoe vita io dia lasa tompon’ny trano ilay olona . Raha araka ny loharanom-baovao azo dia miisa 320 ireo olona tsara vintana hisitraka izany anio. Hotanterahina amin’ity andro anio ity mantsy ny fisarihana ny anaran’izy ireo ao anatin’ireo olona miisa 2.631 isa nahafeno ny fepetra raha nahatratra 3.506 ireo nisoratra anarana. Etsy amin’ny biraon’ny SENVH na ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanana vaovao Anosy no hanatanterahina izany eo ambany fanaraha-mason’ny vadin-tany. Raha araka ny fantatra moa dia miisa 69 ireo mponina avy any amin'ny distrikan’Arivonimamo maniry ny hisitraka izany. Tamin’ny alalan’ny sms na hafatra an-telefaonina moa no niantsona azy 2.631 mianadahy ireo ka havoaka ho fantatry besinimaro ny vokatra aorian’izany mialohan’ny hanasoniavan’izy ireo ny taratasy fifanarahana maro samihafa.
Nangonin’i Pati
Legende : Betsaka ireo maniry ny hahazo ny trano mora