airtel

Sosialy

03-févr-2023

Sosialy

Trésor » Antaninarenina Nitaky ny volany ireo mpamatsy fitaovana ny Fanjakana

Sample post image

Raikitra omaly alakamisy 02 febroary 2023 ny fitokonan’ireo mpamatsy entana na “fournisseurs” an’ny Fanjakana noho ny tsy mbola nahazoan’izy ireo ny volan’izy ireo.

03-févr-2023

Nitokona teo anoloan’ny Tahirimbolam-panjakana tetsy Antaninareninna izy ireo, ary mitaky ny fandoavana ny volany satria efa 2 volana izay no tsy nivoaka izany, raha ny nambaran’izy ireo. Milaza anefa ireto “fournisseurs” ireto fa ny entana dia efa nalefa sy voarain’ny Fanjakana avokoa, kanefa ny vola tsy mety mivoaka, ary tsy misy fanazavana mazava. “Manaitra ny fitondrana satria efa hatrany amin’ny tapaky ny novambra tsy nisy fandoavam-bola, tsy nisy faktiora. Izahay anefa iaraha-mahalala fa naka entana tany amin’ny mpamatsy anay dia ny karana. Ny tompon’entana tsy manaiky raha tsy haloa ny volany, ka tao anatin’ny telo volana latsaka tsy nisy vola mihitsy. Io no asanay, io no ivelomanay ka manaitra ny Fitondram-panjakana, ny Minisiteran’ny vola, ny Filoham-pirenena mba hamoaka ny volanay”, hoy ireo mpamatsy sy mpandraharaha. Tafiditra ao anatin’io avokoa ireo mpisehatra rehetra amin’ny tsenambaro-panjakana, ary na ny antoka na “garantie de soumission” aza dia tsy tafaverina hatramin’izao, raha ny fitarainana. Izy ireo anefa tsy maintsy nametraka antoka taratasim-bola tany amin’ny mpamatsy, ka lasa olana satria milaza hisintona ny vola ireo. Rehefa vola avy amin’ny Fanjakana na minisitera inona na sampan-draharaha inona rehefa mandalo amin’ny tahirimbolam-panjakana, dia tratran’io, raha ny fanazavana. Tsy misy valiny mazava fa ampiandrasina lava ary ahilikilika. Ny famatsiana anefa mandeha foana, ary misy minisitera mbola manery hoe: alefaso ny famatsiana kanefa ny vola tsy voaloa, hoy izy ireo. Ny valiny amin’ny Fanjakana dia ny hoe: tsy misy vola, fa ny karama sy ny fisotroan-dronono aloha no laharam-pahamehana. Toa toe-javatra manamafy ny tsy fahampian’ny volam-panjakana nanomboka tany amin’ny faramparan’ny taona 2022 io. Ny resaka fampitaovana mba hanodinana ny Fanjakana izany anefa heverina fa tafiditra ao anatin’ilay hoe: vesatra efa mahazatra na “charge fixe”. Taorian’ny orinasa tamin’ny sehatra ny asa vaventy izany, dia ny mpandraharaha amin’ny resaka famatsiana na “fournisseurs” mamatsy ny Fanjakana indray no mandadilady mba hamoahana ny volany. Izao ve ilay hoe: tsy misy krizy eto?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap