airtel

Sosialy

02-mars-2022

Sosialy

Tsaramandroso – faritra Boeny Raikitra ny fizarana kopia maimaimpoana sy kara-tany faobe

Sample post image

Miisa 1000 ireo zaza no tsy manana kopia nahaterana hoy ny ben’ny tanana kaomina Tsaramandroso faritra Boeny ka antony nanaovan’ny kaomina hetsika fizarana maimaaimpoana azy io mba ahafahana manampy ireo

02-mars-2022

 raiamandreny hikarakara ny antontan-taratasy ireo zanany rehefa eny anivon’ny toeram-pianarana sy ny fikarakarana kara-panondrom-pirenena misy azy tsirairay. Ankoatra ny fizarana ny kopia nahaterahana ho an’ny ankizy ao Tsaramandroso dia hiroso amin’ny fanomezana maimaimpoana ny kara-panondro ihany koa ny kaomina amin’ity herinandro ity ho an’ireo tanora tsy manana izany nefa efa feno taona. Fiaraha-miasa eo amin’ny fitsarana ao Mahajanga sy ny kaomina amin’ny alalan’ny tetikasa ny mpiara miombo antoka no afahana manatanteraka ny hetsika izay taratasy maha olom-pirenena. Ankoatra izay dia natomboka koa ny fandrefesan-tany faobe hoan’ireo vondron’olona marefo ao amin’ny kaomina Tsaramandroso. Fianakaviana 2000 no hahazo maimaimpoana ny taratasin-taniny ara-panjakana . olana hita eny amin’ireo kaomina ny tsy fananana ireo antontan-taratasy izay nanaovana hetsika faobe izay tsy handoavam-bola . ny fiadidina ny faritra Boeny rahateo no mitarika ny tetikasa fanampiana ny Malagasy hisitraka ireo antonta taratasy maha olom-pirenena . Hitohy amin’ny kaomina hafa ny hetsika tahaka ny natao tao amin’ny kaomina ambanivohitra Tsaramandroso faritra Boeny.
Tolin
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap