airtel

Sosialy

01-déc-2022

Sosialy

Tsena malalaka ara-barotra « Tokony hanana tanjona isika mialohan’ny hidirana »

Sample post image

Notanterahina mandritra ny roa andro teto Antananarivo ary nifarana omaly ny Dinika nasionaly hifanakalozan-kevitra sy hampahafantarana ny zava-misy momba ny ZLECAF na Faritra ara-barotra malalaka iarahan'ny firenena

01-déc-2022

mpikambana ao amin'ny Vondrona Afrikana izay tsena misy mponina 1,3 miliara. Mampieritreritra ny mpiantsehatra ny Minisitra Edgard Razafindravahy, nandritra ny lanonam-panokafana, alohan’ny hanaovan-tsonia ny fifanarahana momba ny ZLECAF. Tokony hanokatra ny masontsika ny fidiran'i Madagasikara tao amin'ny SADC sy COMESA, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana raha nisintona ny sain’ny mpiantsehatra ara-toekarena sy ny mponina izy handanjalanja fatratra, alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra amin’ny hanaovan-tsonia ny fifanarahana momba ny ZLECAF. “Anisan'ireo firenena 54 nanao sonia ny fametrahana ny tsena ZLECAF i Madagasikara kanefa tsy mbola nanao sonia ny fifanarahana. Raha ny fiheverako dia ara-dalàna izany satria ilaina tenierana avy amin'ny mpiantsehatra ara-toekarena rehetra ary indrindra fankatoavana avy amin'ny mponina. Tsy isika irery tokoa no firenena mety hanana fisalasalana. Misy ireo firenena Afrikana miahotra hanokatra ny tsenany”, hoy hatrany ny Minisitra. Anisan’ny mahatonga fisalasalana ny ho fiantraikan’ny fanafoanana ny haba amin’ny tetibolam-panjakana. Ahiana hitombo ny fatiantoka ara-barotra. Kely ny ahondrana noho ny afarana. Mialoha ny hidirana amin'ny tsena malalaka dia tokony hanana tanjona isika hoy ny Minisitra. Voalohany amin’izany ny fananganana indostria matanjaka sy afaka mifaninana eto an-toerana. “Ilaina ny fotodrafitrasa handraisana mpampiasa vola tera-tany sy vahiny. Tsy misy dikany ny hisokafana amin'ny tsena Afrikana raha tsy hananana izay tanjaka ara- indostria izay. Tsy ahazo tombontsoa amin'ny ZLECAF isika raha tsy matanjaka ny Indostria eto an-toerana. Raha tsy manana vina mazava amin'ny Fampiroboroboana ireo vokatra azo ahondrana”, hoy izy.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap