airtel

Sosialy

31-janv-2022

Sosialy

Tsena Miaka-bidy ny saribao sy legioma

Sample post image

Ho an’ity farany ohatra raha mividy ananana 1500 Ar ny tokantrano iray mahavita laoka hilaofana vary mandritra ny tontolo andro dia tsy ampy intsony izany amin’izao raha tsy 3000 Ar

31-janv-2022

. Raha araka ny fanazavan’ny mpivarotra iray dia noho ny tsy fisian’ny anana sy ny legioma no mahatonga izany. Efa tafakatra 2000 Ar ihany koa ohatra ny kilaon’ny ovy raha mbola 1200 Ar teo aloha…. Saika matin’ny ranobe vokatry ny oram-pahavaratra sy ny andro ratsy avokoa mantsy izy ireny indrindra fa ny anana ka tsy misy firy intsony ny hamidy. Mikasika ny saribao manokana dia efa tafakatra 500 Ar amin’izao ny eraky ny famarana iray raha mbola nahazo teo aloha 100 sy 200 Ar. Ankoatra izay dia sady mando izy ireny izany hoe : sarotra hampirehetina no mbola mamono tena ihany koa ny sasany ka mahatsiaro sahirana ny mpanjifa. Efa tafakatra 60.000 Ar moa amin’izao ny iray gony amin’ny saribao raha 50.000 Ar izany teo aloha ho an’ireo gony salantsalany.
Pati
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap