airtel

Sosialy

22-nov-2021

Sosialy

Tsena «Petite vitesse» Nihaino ny tarainan’ny olona i Dada

Sample post image

Nidina ifotony nihaona sy nifampiresaka tamin’ny vahoaka sady niantsena tetsy amin’ny “Petite Vitesse” ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

22-nov-2021

 Mijery anareo ety amin’ny “petite vitesse” aho, ary hitako fa tena tsy mandeha marina, mijery ny fahorian’ny olona, mila mitady vahaolana hividianan’ny olona hanina, hoy ity Filoha teo aloha ity. Nihaino ny tarainan’ny olona, izay tsy nisalasala nizara ireo olana samihafa mianjady. Sady tsisy rano, tsisy vary, tsy afaka miasa, ny EPP mbola handoavam-bola 25 000Ar, voantsika amin’izay ireo amin’ny 2023 fa mila mailo,… hoy ireo olona. Eo anatrehan’ny zava-misy sy ny tsy fahaizan’ny Fitondrana mamaha ny olam-bahoaka, dia nilaza ity Filoha ity, fa vahaolana amin’izany maka fahefana ihany, ny fahendrena dia manova toe-tsaina hoe: mila miray hina, ary jereo ny olona any ivelany any, fa rehefa misy tsy mety dia tsy manaiky lembenana. Na iza na iza no hitondra ny firenena, dia mila olona tena mahalala ny zavatra iainan’ny vahoaka I Madagasikara. Isan’ny olana oavana ho antsika hatreto ny fisian’ny hantsana sy elanelana be eo amin’ny entina sy ny mpitondra, ka zary mifanarika ny tokony ho laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka sy ny an’ny mpitondra. Mety samy afaka mandeha eny an-tsena sy maka sary ho akaiky ny vahoaka, saingy hatreto, tsy misy resaka tsanan’olona na fandokafana manokana an’I Marc Ravalomanana, fa tena afaka naneho an’izay mazava ity Filoha teo aloha ity, raha ny làlana nizorany. Nanangana ny orinasa malagasy vita Malagasy, lasa lasa ben’ny tanàna, avy eo Filoham-pirenena. Filoha tena nitety an’i Madagasikara niaina tany amin’ny fampandrian-tany ny 2001 tamin’ny “tour de Madagascar”, tao anatin’ny fitondrany 7 taona, ary mety tsy nisy nahavita ny vitany raha io satria izy avy sesitany dia mbola nitety indray. Ny propagandy 2018 dia mbola nitety indray, tena nahita ny zava-misy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap