airtel

Sosialy

24-juin-2022

Sosialy

Tsena sy fanjifana Miala any ny World Cola

Sample post image

Ranom-boankazo vaovao ho hita eny an-tsena Tsy tokony alahelo ireo mpisolo ny Coca cola.

24-juin-2022

Tonga eto amintsika ary nampahafantarina tamim-pomba ofisialy omaly mantsy ny fisian’ilay ranom-boankazo World Cola vaovao sy ny Djino ice tea pétillant. Ho an’itsy voalohany dia zava-pisotro misy gazy izy maka tsirona Cola, efa hita manerana ireo firenena 20 eo ho eo. Miavaka amin’ny tsirony mamy sy malefaka izy ary efa nandramana sy nahazoana fankatoavana avy amin’ireo mpisotro Cola marobe. Ny orinasa Star no mamokatra azy amin’ny tavoahangy 30 sl sy 100 sl amin’ny vidiny 1.000 sy 3.000 Ar. Mikasika ny ice tea djino indray dia misy gazy ihany koa izy miavaka amin’ny tsiro misy paiso sy hanitra dite. Marihina moa fa misy amin’ny tavoahangy 35 sl sy 120 sl ihany koa izy io amin’ny vidiny 1500 sy 3500 Ar. Tanjona ny hahafahana mamalifaly ny vahoaka Malagasy amin’izao fetin’ny Asaramanitra izao. Teny amin’ny Coliseun Antsonjombe ahitana ilay Star Tour Antananarivo no nampahafantarana ireo vokatra roa vaovao ireo.

Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap
22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap