airtel

Sosialy

20-sept-2022

Sosialy

Tsena sy fanjifana Tafakatra 3.000 Ar ny kilaon’ny akondro

Sample post image

Ankoatra ny fiakaran’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro na ny PPN dia anisan’ny mampitaraina fatratra ny maro ihany koa ny fiakaran’ny vidin’ny akondro amin’izao eny an-tsena.

20-sept-2022

Raha anisan’ny voankazo fahita mandavan-taona eny an-tsena mantsy izy ireny no sady mora dia lasa tena lafo amin’izao. Tafakatra 3.000 Ar ny iray kilao raha 1.200 na 1.500 Ar izany teo aloha. Raha fehezina dia niakatra hatrany amin’ny 120% ny vidin’ny akondro eny an-tsena. Amin’ny ankapobeny anefa dia tena ilaina amin’ny fikarakarana ny fahasalamana ny akondro amin’ny ankapobeny. Manampy amin’ny ady amin’ny krampy izy ireny ankoatra ireo olona tsy ampy manezioma. Manampy betsaka amin’ny fandevonan-kanina ihany koa ny akondro raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo. Tsiahivina moa fa avy any amin’iny faritra atsinanan’ny Nosy iny ny ankamaroan’ireo akondro hamidy eto amintsika raha toraka izany koa ny avy any atsimo Atsinanana. Manotrika araka izany no tena hataon’ireo olona eto amintsika fa ny mamboly sy ny mamokatra azy dia saika avy any amin’ireo faritra roa ireo. Fanontaniana mipetraka araka izany ny hoe : tena niakatra hatrany am-potony tokoa ve ny vidin’ny akondro sa ireo mpivarotra eto an-drenivohitra no manararaotra mahita ny fiakaran’ny vidin’entana rehetra.
Pati
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap