airtel

Sosialy

19-avril-2022

Sosialy

Tsena sy fanjifana Tsy mahavelona intsony ny varotra akoho amam-borona

Sample post image

Tsy mahavelona intsony ny fivarotana akoho amam-borona, raha ny nambaran'ny mpivarotra tetsy Analakely ny sabotsy teo.

19-avril-2022

Efa fety ny andro nefa mbola vitsy ny mpanjifa, hoy izy ireo. Nangina tanteraka ny tsena. Zara raha nahalafo 2 na 3 ny tapakandro maraina. Raha ny taloha nefa dia herinandro mialoha dia efa mandeha be ny tsena. Efa nampoizina izao noho ny fahasahiranana izay efa iaraha-mahita. Efa tsy naka entana betsaka toy ny mahazatra intsony izahay, hoy hatrany ny mpivarotra. Mbola atahorana aza ny tsy hiverenan'ny mason-karena ka tsy afaka hanodina vola. Tsy niakatra ny vidin'ny akoho amam-borona tamin'ity taona ity. Ho an'ny akoho manokana, manomboka amin'ny 12.000 ariary ny vatombatony raha manomboka eo amin'ny 14.000 ariary ny gana ary ny gisa sy vorontsoloza kosa dia manomboka eo amin'ny 35.000 ariary eo, hoy hatrany ireo mpivarotra.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap