airtel

Sosialy

27-mars-2024

TSENAN’ANDRAVOAHANGY

Nentanina mba hahalala fahadiovana ny mpivarotra

Sample post image

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

27-mars-2024

Fako 200 grama isaky ny mpivarotra raha kely no haparitak’izy ireny na avelany amin’ny toerana avy hivarotany isan’andro. Antony mampahazo vahana ny loto sy ireo karazan’aretina eto amintsika izany, ka tsy maintsy nandraisana andraikitra.
Nisy araka izany omaly Talata maraina tokony ho tamin’ny 03 ora ny fidinana ifotony teny amin'ny tsenan'ny tantsaha Andravoahangy, notanterahin’ny delegen’ny Boriborintany fahatelo Razafimandimby Rija Ethel. Fanentanana ireo mpivarotra mikasika ny fahadiovana no natao tamin’izany. Tsy tompon-toerana fa tompon'andraikitra mantsy ireny delege ireny hoy ny PDS Richard Ramanambitana fa asa fa tsy kabary intsony. Tokony ho vita tahaka izao avokoa moa ny fanentanana ireo mpivarotra manerana ireo Boriborintany enina eto an-drenivohitra, raha tena mandray ny andraikiny avokoa ireo tompon’andraikitra.

Pati
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap