airtel

Sosialy

25-janv-2024

Sosialy

Tsenan’Anosibe Mpambongady iray, tratra nampiakatra vidin’entana tsy ara-drariny

Sample post image

Nampanantsoan’ny Minisitera misahana ny Varotra (MIC) ho tonga eny amin’ny biraony

25-janv-2024

eny Ambohidahy androany Alarobia, ny mpivarotra mpamongady iray eny Anosibe tratra nampakatra ny vidin’ny vary avy amin’ny SPM (State Procurement of Madagascar) hitovy amin’ny vary nafarana avy any ivelany. Nandritra ny fitsirihana nataon’ny tompon’andraikitra avy amin’ny minisitera omaly no nahatrarana azy ity ka ankoatra ny fampiarana ny vidim-bary avy amin’ny SPM izay tokony ho 2700 Ariary ny kilao dia mbola tsy nasiany famantarana ny fivarotany vary avy amin’ny SPM koa teo amin’ny tsenany. Ampiharina amin’ity mpivarotra mpamongady ity noho izany ny fepetra mifanaraka amin’ny sokajin’ny fanararaotana nataony raha ny fanazavana. Raha ny tena marina tsy io mpivarotra io irery no manararaotra mampiakatra vidin’entana tahaka izao fa tena maro, koa raha tena hanaramaso tokoany minisitera dia asa mila atao isan’andro io fa tsy hoe misehoseho mandritra ny 1 andro dia miverina amin’ny laoniny indray ny gaboraraka avy eo.
Lalaina Rav
 

Dans la même rubrique