airtel

Sosialy

12-oct-2026

Sosialy

Tsy fahampiana trano fonenana Hahatratra 2 500 000 hatramin’ny 2035…

Sample post image

Eo amin’ny 125 000 hatramin’ny

12-oct-2026

130 000 isan-taona ny filantsika eto Madagasikara amin’ny resaka trano fonenana. Raha niainga teo amin’ny 1 700 000 eo ny tsy fahampian’ny filana amin’ny resaka fanorenana dia hahatratra hatrany amin’ny 2 500 000 izany hatramin’ny 2035, raha ny nambaran’ny Sekretera Jeneralin’ny fanajariana ny tany Atoa Sambany Ruffin. Izany, hoy izy, no mahatonga ny Minisitera mifanome tanana ny sehatra tsy miankina sy mitady fomba rehetra iarahana miasa amin’ny mpampiasa vola tsy miankina amin’ny fomba ahafahana mitondra fanorenana trano mamaly ny filana eto Madagasikara. Tafiditra ihany koa amin’ny fiomanana amin’ny fitomboan’ny mponina eto Madagasikara. Ny mahatonga ny filaharana be na fitohanana eto amintsika, indrindra fa amin’ny tanàn-dehibe dia ny fahateren’ny fotodrafitrasa fa eo ihany koa ny fitomboan’ny mponina, ka miainga amin’ny fandalinana sy jery lavitra amin’ireny no ahafahana manao fanorenana trano vaovao, na toeram-ponenana vaovao manerana an’i Madagasikara, ahafahana mitondra vahaolana maharitra.
VINA 25 ka hatramin’ny 50 taona
« Tsy ny 10 na 15 taona no eritreretina amin’ny fanorenana jerena, fa manomboka amin’ny 25 na 50 taona ho avy no vinavina jerena amin’ny fanorenana tokony hatao », hoy izy. Tsy tokony hisalasala ny olom-pirenena manao ny fangatahana fanorenana manaraka ny lamina sy ny drafi-panajariana eny amin’ireo antanan-tohatra samihafa ara-panjakana, mba tena ho fanorenana mifanaraka amin’ny fenitra momba ny toeram-ponenana, hoy hatrany ny Atoa Sambany Ruffin, Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany.
Légende : Sambany Ruffin, Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany.

Toky R
 

Dans la même rubrique

09-oct-2026

Hipoka ny hopitaly, tafakatra 85 ireo lasibatra

Card image cap