airtel

Sosialy

05-nov-2021

Sosialy

Tsy fahita hatramin’izay Ritra ny reniranon’i Mangoky

Sample post image

Ritra ny reniranon’i Mangoky ao Betroka, raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny lehiben’ny sampan-draharaha eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny fitantana ny loza sy tandindon-doza na BNGRC, Paolo Raholinarivo.

05-nov-2021

 Tranga mbola tsy nisy hatramin’izay io, hoy ny fanamarihany. Miova ny toetr’andro, ripaka ny ala, isika ihany no mibaby ny vokany. Tokony hisy fepetra raisina haingana fa raha mitohy izao ho sahirana isika, hoy hatrany ny tenany. Eo foana moa ilay mampametra-panontaniana hoe fepetra inona ihany izany no mbola tsy hita tao anatin’izay atrikasa marobe nisy teto amin’ny firenena izay na teo amin’ny resaka rano ion a tontolo iainana na hafa? Tsy efa tany amin’ny taona 1970 tany ho any ve no nisian’ny fananarana tsy hanao tavy sy handoro tanety, ohatra? Maninona no hatramin’izao no tsy mety voafehy izany fa vao mainka mirongatra? Tsy ny mpitondra isan’ambaratonga ve no tokony hitarika amin’izany hoe fanabeazana ara-tontolo iainana izany ary tsy vitan’ny hoe manabe fehy manabe amin’ny fomba efa lany andro intsony fa mba mitady vahaolana mifanaraka amin’ny toetr’andro sy zava-misy amin’izay ?
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap