airtel

Sosialy

10-mai-2023

Sosialy

Tsy fananan’asa Mahaverivery saina, manakorontana fiaraha-monina

Sample post image

Latsaky ny 25 taona avokoa ny 50%-n’ny Malagasy. Ny mampalahelo anefa dia saika tsy an’asa avokoa ny ankamaroan’izy ireny eny fa dia ho an’ireo nahavita fianarana ambony aza.

10-mai-2023

Betsaka ny voka-dratsy aterak’izany eny anivon’ny fiaraha-monina, raha araka ny fanadihadiana natao. Lasa mitombo ny mpangalatra, mitombo ihany koa ny mpamono olona toy ny zava-misy any amin’iny Faritra Atsimon’ny Nosy iny, feno hatrany ny toeram-pisotroana, tranga saika miseho manerana ny Nosy mihitsy….
MIREVIREVY
Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivarotra iray mitazona ireny toerana fisotroan-toaka na bara ireny dia tena mitombo be tokoa ny Malagasy lasa misotro toaka ankehitriny. Tanora avokoa ny ankamaroan’izy ireny izay tsy an’asa ny ankamaroany hotronin’ireo kamo mianatra ihany koa hany ka lasa manakorontana ny fiaraha-monina sy mampijaly ireo nahitany masoandro fotsiny. Mitabataba sy miteny ratsy amin’ny alina, manao be sandry sy tsy manaja ny manodidina….Ho an’ireo mba tongatonga saina rehefa tena reraky ny tsy fananam-bola dia mirona mankany amin’ny fanaovana asa tsy ara-dalana na informel izy ireny izay tsy misy fitsinjovana ny ho avy mihitsy. Anisan’ireny ny fivarotana amoron-dalana…. Tafakatra 80% ny tahan’ireo olona manao io asa tsy ara-dalana io eto amintsika. Ny tena mampalahelo anefa dia mahakivy ireo olona manao asa ara-dalana mandoa hetra ny fisian’izy ireny. Tokony hanaovan’ny fanjakana ezaka araka izany ny fanentanana sy fampianarana azy ireny mba hiditra eo amin’ny sehatry ny ara-dalana hisorohana ny mizana tsindrian’ila eo amin’ny samy olombelona.

 Miha maro ny tanora mirenireny sy mirevirevy fotsiny
MBOLA MANDROAKA MPIASA IHANY
Na dia efa betsaka aza ireo olona tsy an’asa eto amintsika lasa manaotao foana sy manakorontana fiaraha-monina dia mbola maro amin’ireo orinasa tsy miankina eto amintsika koa no mbola sahy mandroaka mpiasa ihany. Orinasa miisa 10 hatreto no efa nanaovan’ny mpiasa fitarainana teo anivon’ny randrana sendikaly SVS raha araka ny fanazavan’ny sekretera jeneraliny Barison Rakotomanga. Misy amin’ireo orinasa ireo no mandefa taratasy raha misy no tsy manome taratasy mihitsy no sady tsy miresaka amin’ny inspection de travail. Chômage teknika no mody hanalany moramora ireo mpiasa hoy hatrany Barison Rakotomanga ka manomboka amin’ny 10 andro izany ary tsy mifarana raha tsy enim-bolana. Tsy misy fiahiana ara-tsosialy mihitsy ireny mpiasa ireny mandritra izany. Tsy mijery azy ny CNaPS ho an’ireo voasoratra anarana ao amin’ity ivon-toerana ity. Tsy afaka mitsabo tena ihany koa izy raha sanatria ka marary… Nomarihin’ity SG an’ny sendika SVS ity anefa fa raha vantany vao feno 15 andro niasana ao amin’ny orinasa iray ny mpiasa iray dia tsy maintsy soratan’ilay orinasa any amin’ny CNaPS izy mba hahafahany misitraka ny zony na mpiasa raikitra izy na tsia. Tokony ahian’ny CNaPS ireny mpiasa nomena chômage teknika ireny hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity miankina amin’ny latsak’emboka naloany. Nankaiza daholo hoy izy ny tombony azon’ny CNaPS tamin’izany? Tsiahivina moa fa vao ny 10% n'ny mpiasa tokony hisorotra CNaPS ihany no voasoratra hatreto.

Tokony ahian’ny CNaPS ireny mpiasa nomena chômage teknika ireny hoy i Rakotomanga Barison
MAHAVOAN’NY « DEPRESSION »
Vao maika hikorontana tanteraka ny fiaraha-monina noho izany raha mitohy hatrany ny fandroahan’ny orinasa mpiasa eto amintsika miampy ireo efa tsy an’asa marobe. Raha araka ny fanazavan’ny dokotera Vololona, manam-pahaizana manokana momba ny fikarakarana ny saina mantsy dia miteraka depression na fikorontanan-tsaina lalina ny tsy fananan’ny olona iray asa hatao. Miantomboka amin’ny tsy fahatokisany ny tenany intsony izany hoy izy, antony mety hampamoy fo azy mihitsy indraindray. Tsy misy afa-tsy ny fampaherezana azy ireny sy ny fanoroana hevitra azy mba hianatra na hanao zavatra hafa araka izany no vahaolana hoy hatrany ity dokotera iray ity, arahin’ny fanaovana zavatra mahafinaritra ny saina. Na izany aza anefa dia nomarihin’ny dokotera Vololona fa misy amin’ireny karazan’olona ireny ihany koa no tratran’ilay fanaintainana anaty na dia mahita asa ihany aza aveo. Misy mantsy ireo voatery manao asa tsy mifanaraka amin’ny fahaizana amam-pahalalana hananany mihitsy mba hahazoam-bola hahafahana mivelona fotsiny ka ilana fanohanana sy fampaherezana ihany koa.
MIHARERAKA NY TANY
Tsy ny eto Madagasikara ihany raha araka ny fanazavan’ny pastera Heritiana Randriarimalala no sarotra ny fiainana fa ny fiainana eto ambonin’ny tany mihitsy no mafy. Mihareraka mantsy ny tany raha araka ny fanazavany, ny olona koa tsy mitsaha-mitombo, antony miteraka ireo olona tsy an’asa marobe. Ny mampiavaka ny eto Madagasikara sy ny any ivelany fotsiny raha araka ny fanazavany dia tsy ory sakafo loatra ny any ivelany. Ny antsika eto Madagasikara kosa dia tena miady amin’ny fitadiavana ny hanin-ko hanina isan’andro ny tsirairay, izany hoe : ny hohanina mihitsy no tsy misy. Ny olona any ivelany hoy izy mety tsy manam-bola fa manan-kohanina. Eo an-danin’izay dia notsindrian’ny pastera Heritiana fa ny firenena Malagasy koa tena sahirana hany ka mitombo hatrany ny fahasahiranan’ny Malagasy. Raha hiandry ny governemanta sy ny fanjakana araka izany hoy izy dia tsy hitany izay vahaolana aroso fa ao amin’Andriamanitra irery ihany no misy ny vahaolana faratampony. Ho an’ireo olona mamoy fo sy mamono tena vokatry ny tsy fananany asa moa dia nomarihin’ity pastera ity fa ny fitodihana amin’Andriamanitra ihany no hany vahaolana tokana handresena izany.

Ny fitodihana amin’Andriamanitra ihany no hany vahaolana, hoy ny Pastera Heritiana
Pati
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap