Hanampiana ireo firenena any Afrika amin’ny tapany Antsinanana sy ny manodidina ny tapany atsimo, mba hanamafisana ny paikady fiatrehana ny olana ara-tsakafo sy ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika amin’izao. Isan’ny tena mizaka ny hamafin’izany rahateo aty Afrika. Hanatsarana ny paikady hanoherana ny krizy ara-tsakafo io, ka tafiditra amin’izany ny fanamafisana ny fanairana sy ny famolavolana vahaolana haingana, ny fanohanana ny famokarana, ny fepetra ara-barotra maika, ny tahiry ara-tsakafo hiatrehana ny hamehana,… Raha ny fanadihadian’ny Banky Iraisam-pirenena, mahatratra 22,7 tapitrisa ny olona lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo any Ethiopie noho ny haintany mahery vaika mbola tsy fahita hatrizay. Ny eto Madagasikara, mahatratra 7,8 ny olona tratry ny tsy fanjarian-tsakafo ho an’ny any Atsimo fotsiny vokatry ny haintany sy ny hanohanana tsy mety resy efa an-taonany maro be, ka isan’ireo hisitraka amin’ity programa ity. Tsy fantatra mazava aloha hatreto hoe : hisitraka ohatrinona amin’ny 2,3 miliara dolara isika ? Mbola vao tapa-bolana teo izay izay no nisian’ilay tatitry ny solontenan’ny Banky iraisam-pirenena eto fa 7,7 tapitrisa ireo Malagasy zara raha misakafo ankehitriny raha toa ka 6,3 tapitrisa izany 3 volana lasa. Voasokajy ho isan’ny firenena marefo indrindra isika. Mila paikady mahomby izay tsy fanampiana avy any ivelany ihany, fa indrindra ny politikam-panjakana mazava. Ny an’i Rwanda izao tamin’ny fiandohan’ity volana ity no nanambaran’ny Filohany Paul Kagame izay nampisaintsainany an’i Afrika hoe: “Tsy azo ekena raha i Ukraine izay tsy misy mponina afatsy 44 tapitrisa no mamelona ny kaontinanta Afrikanina misy vahoaka 1,4 miliara. Mampanantena ny vahoaka Rwandaise aho fa hahatratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo isika mialohan’ny 2025. Nomeko alalana ny fividianana fitaovam-pambolena 1 miliara dolara, ary ihany koa ireo fitaovana rehetra ilaina amin’ny amin’ny indostria ara-pambolentsika”, hoy izy. Aiza ho aiza amin’izany isika? Kianja no nihazakazahana, teleferika no imatimatesana,… ary efa herintaona tsy hialan’ilay Fanjakana vao manao fikaonan-doha momba ny fambolena. Efa 13 taona lasa anefa izay no efa nampiharina teto io ataon’i Kagame io, fa nohafokaina sy nopotehina kanefa izao ekena ihany fa any no tena làlana.
Toky R
Mila tsy ho azo vidiana intsony ny legioma ao Mahajanga ao. Misy mivarotra 7.000 Ariary ny kilaon'ny karaoty,
Mahazo vahana raha araka ny nambaran’i Haingotiana Mamy Bernard ny kolikoly ao amin’ny fonjaben’i Betroka.
Raha tsiahivina, ny « Entreprise de l’année » dia fanasokajina orinasa nokarakarain’ny MEMENTO hampilaharana
Ny 1 may no nanomboka nihatra ny fanondrotan-karama, hoy ny Randrana sendikaly. Nandray ny mpiasam-panjakana ny faran’ny volana may, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga.
Nanomboka omaly 25 janoary hatramin’ny rahampitso io any Dakar Sénégal, ao amin’ny Centre international de Conférence Abdou Diouf (CICAD)
Anisan’ny faritra nitondra faisana vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso ny Faritra Melaky. Ny any Bekopaka no tena lasibatra tamin’izany nahitana tokantrano miisa 10 raha am-polony kosa ireo traboina.