airtel

Sosialy

11-juin-2024

Tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika

24% amin’ny zaza Malagasy latsaky ny 5taona no ianjadiany

Sample post image

Namoaka tatitra ny Sampan-draharahan’ny Firenena mikambana misahana ny ankizy na ny UNICEF,

11-juin-2024

fa an-tapitrisany ireo Ray aman-dReny sy ny fianankaviana maneran-tany no tsy afaka mampisitraka sakafo ara-pahasalamana mitondra otrik’aina sy azo isafidianana tsara mba hahafahan’ny zanany mitombo, ary ahafahany mivoatra ara-tsaina mba hahombiazany amin’ny fanabeazana sahaza azy. Betsaka ireo antony, toy ny tsy fitoviana marolafy, ny ady, ny krizy ara-toetr’andro,… izay mitarika ny fiakaram-bidin’ny sakafo, ny fiankinan-doha amin’ny sakafo misy fiantraikany ratsy ara-pahasalamana, ny tsy fahombiazana ara-paikady eo amin’ny fivarotana ireo vokatra ara-tsakafo, fa indrindra ny fomba fiantsorohana ny ankizy ara-tsakafo. Araka ny tatitry ny UNICEF, a nkizy iray amin’ny 4 na 27% maneran-tany no tsy mihinana afatsy 0 hatramin’ny 2 ny sokajin-tsakafo isan’andro izay maneho ny fahantrana ara-tsakafo mahery vaika mandritra ny fahazazana, ka 181 tapitrisa amin’ny ankizy latsaky ny 5 taona no voakasik’izany. Ho an’i Madagasikara, ny tatitra dia naneho fa 24% amin’ny ankizy latsaky ny 5 taona no miaina amin’ny fahantrana ara-tsakafo mahery vaika, raha toa ka 50% no miaina ao anatin’ilay tsy fahampiana saingy mbola tsy ao anatin’ny mahery vaika na «pauvreté alimentaire infantile modérée ». Voasokajy ho isan’ny firenena tena nitombo ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika mahazo ny ankizy tao anatin’ny 10 taona farany i Madagasikara, raha ny tatitry ny UNICEF hatrany.
Toky R

Sary fanehoana : UNICEF

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap