any amin’ny distrikan’i Beloha. Vokatry ny fahasahiranana mahazo ny mponina ateraky ny tsy fihinanana sakafo ara-dalana no mahatonga izany raha eo ihany koa ny vesatry ny haintany. Olona miisa 1.250 vokatr’izany no tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika sy mitarazoka any amin’ity distrika iray ity. Tonga tany an-toerana nijery ireo olona marobe ireo ny Sekretera Mpanantanteraka mpisolo toerana an'ny CPGU nanokatra izay nanolotra sakafo mafana ho an’ireo fianakaviana ireo. Raha araka ny fantatra dia haharitra 20 andro ny famahanana sakafo azy ireo. Na izany aza dia tsy vahaolana fohy ezaka tahaka izany no tena handrandrain’ny mponina any Atsimo fa vahaolana lavitr’ezaka avy amin’ny Fitondram-panjakana. Tsiahivina fa noho ny tsy fahampian’ny orana nifanesisesy tamin’ny fotoam-pamokarana teo aloha no antony mahatonga izao tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny mponina any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy izao. Manampy trotraka izany ny tsy fahaizana mamadika ireo zakafo misy any an-toerana ho lasa sakafo ara-pahasalamana.
Pati
Legende : Nandritra ny famahanana sakafo ireo mafana ireo olona tao Beloha Androy !
Raikitra ny tsenabe Fivoarana andiany faharoa, karakarain’ny Fikambanana Fivoarana,