raha toa taloha ka tamin’ny 9 na 10 ora alina no niverina ny rano. Ankehitriny, talohan’ny nisian’ireny grevy tety ireny ilay izy lasa niitatra amin’ny 12 alina. Ianao efa sady reraky ny asa no tsy maintsy miari-tory miandry fiverenan-drano indray satria amin’ny 3 na 4 maraina indray dia efa tapaka ilay rano. Miantraika amin’ny fahasalaman’ny mponina, mazava ho azy, ny fiainana tsizarizary toy izany ary rariny ireo mponina raha vao mainka tezitra nony hoe ity sinibe na «bombonne» ity no atao vahaolana satria rano any an-tranony miverina no antoky ny fahasalamany fa tsy rano voafetra ao anatin’iny «bombonne» na «tanker», hoy hatrany ny fanazavany.
J. Mirija
Mahasarotiny ny Randrana sendikaly ny CNaPs satria miantoka ny ain’ny mpiasa sy ireo nahavita be teo amin’ny asa,
Nampiakarin’ny Banky Iraisam-pirenena ho 3 dolara na 15000Ar eo isan’olona isan’andro ny
Mbola ny kaominina hatrany no manao ny asan’ny JIRAMA amin’ny famahana
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika ankehitriny,