airtel

Sosialy

21-févr-2024

Tsy fisian’ny Governora ao Amoron’Imania

Velon-taraina amin’ny tsy fandraisan-karama ireo mpiasa

Sample post image

2 volana amin’ity febroary ity, raha toa mbola tsy voatendry ny governora vaovaon’ny

21-févr-2024

faritra Amoron’Imania, no tsy nandraisan’ny mpiasa eo anivon’ny fiadidiana ny faritra karama, hoy ny fampitam-baovaon’ny solontenan’izy ireo omaly. Niangavy ny hanendrena izany governora izany faran’izay haingana moa izy ireo noho ny fahatsiarovana ho mijaly manoloana toe-draharaha. Tsy misy afaka manao sonia ny famoahana karaman’ireo mpiasa, hoy ny fanazavana. Tsiahivina fa voatendry ho minisitry ny mponina sy ny firaisankina moa ny governora teo aloha, Haingosoa Fomendraza Elisette. Taratry ny kitoatoa amin’ny fomba fiasan’izao fitondrana izao ve sa porofon’ny tsy fahaiza-mitantana toy ny tsy naha tontosa ireo fifidianana ben’ny tanàna tany amin’ireo toerana mbola tsy nahavitàna izany na koa ny fanendrena ireo sekreteram-panjakana miisa 11 tsy mety tanteraka hatramin’izao sa izany rehetra izany mitambatra? Porofon’ny tsy fisian’ny tetibola enti-miasa, eny, fa na dia anodinana ny raharaham-panjakana anatiny fotsiny koa ve? Inoana fa hivaly tsy ho ela izany rehetra izany fa dia velon-taraina amin’ny tsy fandraisan-karama aloha izany ireo mpiasa any Amoron’Imania any.
J. Mirija
Légende : Tsy mbola voatendry ny governoran’Amoron’i Mania taorian’ny nanendrena an-dRtoa Haingosoa Fomendraza Elisette ho Minisitry ny mponina
 

Dans la même rubrique