airtel

Sosialy

20-oct-2022

Sosialy

Tsy voaloa vola Hiato ny asa fanarenana ny tsena ao Toliara

Sample post image

Mihisatra ary mety hikatso ny asa fanarenana ny Bazaribe sy Scama ao Toliara. Mpiasa an-jatony no ho very asa manaraka izay.

20-oct-2022

Resa-bola no voalaza fa antony. Tombanana hatrany amin'ny 80% ny asa tontosa nefa tsy misy vola azo fa dia ilay orinasa nahazo ny tsenan'asam-panjakana no nianto-tena nanaovana ny asa hatreto. Manomboka miantraika any amin’ny kitapom-bolan’ny orinasa anefa ankehitriny ny vesatry ny fandaniana amin’ny fampitaovana, ny akora, ny karaman'ny mpiasa ka dia nanapa-kevitra ny fitantanana ny orinasa fa hiroso makany amin'ny fampiatoana ny asa mandra-pisy fandoavam-bola avy amin'ny fanjakana. Anatin’ny fandaharanasa "Programme d'Appui et de Développement des Villes d'équilibre" na PADEVE II ary vatsian'ny Frantsay amin'ny alalan'ny AFD (Agence Française de Développement) vola, ny fanarenana ireo Bazary ao Toliara ireo. Araka ny loharanom-baovao dia efa nirotsaky ny mpamatsy vola any amin’ny Tahirimbolam-panjakana ny anjara birikiny fa ny fanjakana mitantana azy no mampandry adrisa lava amin'ny fandoavam-bola.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap