airtel

Sosialy

29-déc-2021

Sosialy

Vadina pasitera saropiaro Tovovavy iray nanaovany habibiana

Sample post image

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany amin’ny distrikan’i Fenoarivobe tamin’ny Alahady 26 Desambra lasa teo.

29-déc-2021

Tovovavy kely iray vao 28 taona no niharan’ny herisetra feno habibiana nataona vadina pastera amina fiangonana zandriny iray any an-toerana. Raha araka ny fanazavan’i Herinantenaina Rado, anadahin’ity tovovavy ity dia nampidirin’io Ramatoa io tao an-tranony ity tovovavy kely ity. Nokendainy, nototofany tamin’ny ondana mba ho sempotra, notondrahiny rano mangotraka avy eo raha mbola nalany ihany koa ny sofiny roa rehefa torana tsy nahatsiaro tena. Raha araka ny fanazavan’ny fianakavian’ny lasibatra dia ny zanak’ity Ramatoa nahavanon-doza ity niverina tao an-tokantrano tampoka no nahita ny zava-doza nataon-dReniny ka lasa nampandre ny Rainy izay mbola variana nampivavaka tany am-piangonana. Nandritra izany anefa dia mbola norasarasain’ilay Ramatoa tamin’ny “lame” ny tarehin’ilay tovovavy sy ny tananany ary tsy namelany raha tsy potipotika raha mbola nalany ihany koa ny molony roa ambony ambany. Nidina tamin’ny “cadenat” avy any ivelany ny trano taorian’izany ary lasa nitsoaka izy.
SARY : Noboriana ny sofiny rehefa avy nokendaina sy nosemporina ilay tovovavy
TSY MAINTSY NOPOIRINA NY TRANO
Voatery nopoirina ilay trano taorian’izany, niarahan’ny pasitera sy ny zanak’izy mivady ary ny mpino tao amin’ily fiangonana. Nifamonjena nentina namonjy ny hopitaly any Fenoarivobe ilay tovovavy taorian’izany ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ankehitriny. Na izany aza mbola miaina ao anaty rarintsaina sy tahotra ary horohoro tanteraka ity tovovavy kely vao 28 taona ity. Mbola ny fianakaviany ihany koa hatreto no miantoka ny fandaniana amin’ny fitsaboana azy rehetra raha mitady hanao raharaham-pihavanana kosa ilay pastera raha araka ny fanazavan’i Herinantenaina Rado, anadahiny. Hitory moa ny fianakaviana fa tsy hanaiky saingy na izany aza dia manamafy kosa izy ireo fa tsy ilay fiangonana no hananan’izy ireo olana fa ity vadina pastera nahavanon-doza ity. Miantso ny Fitondram-panjakana izy ireo mba hijery akaiky ny zava-misy.
SARY : Voatery nozairina ny tarehiny
HASAROTAM-PIARO…
Raha araka ny fantatra hatrany moa dia noho ny hasarotam-piaro no nanosika ity Ramatoa ity hamono ilay tovovavy tahaka izao izay marihina fa mpiara-mivavaka aminy ihany. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ny raharahara manoloana ity tranga mampalahelo ity. Efa notazonin’ny mpitandro ny filaminana kosa ilay Ramatoa taorian’ny vono olona feno habibiana nataony. Tsiahivina moa fa tena hahavitana zava-doza tsy eritreretina ny hasarotam-piaro na ho an’ny lahy izany na ho an’ny vavy ka ilana fitandremana. Ny fo mantsy rano mafana ary avy ao aminy no hiavian’ny aina raha tsy voatandrina tsara izy.
SARY: Rado Herinantenaina, anadahin’ilay tovovavy lasibatra !
Nangonin’I Pati
 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ampanefena, distrikan’i Vohemar ny 11 Aprily lasa teo.

Card image cap