ny fahantrana mandifotr’olona, ny tsy fahaiza-mitantana ny firenena, halatra, kolikoly,… ? Manaiky lembenana na miakatra hatrany aza ny daozin’ny olana sy fahapotehana ara-tsosialy sy toekarena : jiro sy rano tapaka mandavan-taona, vidim-piainana miha midangana andro aman’alina,… Toa zary hararaotin’ny mpitondra sy ny mpanao politika ny fahalemen’ny Malagasy ka indraindray eo anatrehan’ny efa tsy fanjarian’ny fitondrana firenena aza mbola misy mihantsy ady mivantana na ankolaka. Tsy midika fa mankasitraka ny zava-misy, fa mety leo sakoroka, na koa ny olona mahatarika na « leader » no tsy ampy na tsy mbola vonona. Amin’ny lafiny iray anefa, heverina ho anton’io raha ny fampahatsiahivan’ny mpanao gazety iray ny laharantsika eo amin’ny tondro momba ny fitoniana sy ny filaminana. Laharana faha-55 amin’ny 163 mantsy i Madagasikara raha ny fanasokajian’ny Institute for Economics and peace. Hatreto, mbola mitana ny lohalaharana hatrany I Island tao anatin’ny 15 taona. Manaraka azy I Danemark, Ireland, Nouvelle Zélande, Australie,… Any amin’ny laharana dimy farany kosa i Nepal, Chine, Tunisie, Guinée Equatoriale, ary mamarana azy any amin’ny rambony ny Repoblika Dominikanina. Miisa 23 moa ny mason-tsivana amin’io, mizara amin’ny sehatra miisa 3: ny refin’ny natoka sy fitoniana eo amin’ny fiarahamonina sy ny firenena (asa fampihorohoroana, vono olona,…), ny hamafin’ny fifandonana anatiny sy iraisam-pirenena (ady sisin-tany, ady an-trano,…), ary ny lentan’ny fanankinana ny aim-pirenena amin’ny tafika na “militarisation du pays (vola haompana amin’ny tafika, ny fitaovam-piadiana nokleary, ny tanjaky ny tafika,…).
Toky R
Mitombo ireo Renim-pianakaviana mamono sy manary ny zanany eto amintsika.