raha ny ankamaroan’ny fitarainan’ireo mpanjifa nanaovana fanadihadiana. Ny paty novidiako 1800 Ariary omaly zoma, hoy ny raim-pianakaviana iray, dia izao lasa 2000 Ariary sahady nony sabotsy. Hatramin’ny saran’ny fandefasana vola amin’ny alalan’ny finday nisondrotra. Nahitana fiakarany ihany koa ny vidin’ireo voankazo efa kely sisa ny hananana azy toy ny Lodsia izay lasa nahatratra hatramin’ny 2500 Ariary ny kilao nefa 1500 Ariary izany teo aloha. Toy izany koa ny legioma tahaka ny pitipoa, izay lasa 1200 Ariary raha toa ka 1000 Ariary fara faha lafony teo aloha. Aiza ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy ny minisitera tomponandraikitra manoloana ny karazana fanararaotana andro fety tahaka itony? Mbola ho avy koa moa ny fetin’ny faran’ny taona sy taom-baovao.
J. Mirija
Toy ny mahazatra, mipatrapatraka ny fampanantenana sy ny filazana fa miasa sy