Nisy ny tapaka nanomboka tamin’ny 5 ora hariva tany ho any ary tsy niverina raha tsy tamin’ny 11ora alina latsaka fahefany, izany hoe: adin’ny 5 tany ho any ny fahatapahana. Zary fampanantenana moa no betsaka, fa ny olana toa efa mahazatra. Tena hiandry 2027-2028 tokoa izany vao afaka hanantena fiovana azo tsapain-tànana? Haharitra an’izany ve ny vahoaka izay leo sy tofoka? Ireo tetikasa lehibe toa efa tamin’ny Fanjakana teo aloha hatrany no toa heverina fa ho vahaolana ka miandry izany ny mpitondra ankehitriny raha tarafina amin’ny zava-misy. Tsy adinon’ny Filoha Rajoelina ny nitanisa ireo tetikasa toy ny hoe: vao avy nitokana an’I Farahantsana mamokatra 28MW sy nametraka milina faha-4 32MW ao Andekaleka saingy ny delestazy misy hatrany kanefa toa mba azo atao ihany ny tsy manisy na maha kely azy rehefa vanim-potoana miavaka. Nambara fa ho vita afaka 3 taona ny tohodrano ao Ranomafana hamokatra 64MW, natao ny novambra 2021 ny sonian’I Sahofika 192MW, mizotra ny fanamboarana ny Mandraka 3 andalam-pamaranana ny dinika Volobe 120MW, atao fanamby ny ao Antetezambato 120MW. Raha hatambatra, 556 MW be izao raha kely ny herinaratra ho vokatra, hoy ny fampanantenan-dRajoelina. Ho tapitra ihany ny 5 taona nitondrana saingy tsy hita popoka ilay 400MW nambara hovitaina ao anatin’ny 5 taona, fa toa mangataka 5 taona manaraka hatrany.
Toky R
Hanamarika ny faha-25 taonany amin’ity taona 2023 ity ny hetsika ara-toekarena “Foire International de l’habitat” na
Tena miaka-bidy hatrany ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro eny an-tsena. Anisan’izany ny savony