airtel

Sosialy

17-déc-2021

Sosialy

Vaomiera mpanadihady ny olan’ny aditany Handinika ny fitarainan’ny Tiko Ambanja sy Mandoto

Sample post image

Mitohy hatrany ny asanay eto anivon’ny vaomiera mpanadihady ny olan’ny aditany miverimberina eto anivon’ny antenimieram-pirenena, hoy ny filohan’izy ireo, ny depiote Naivo Raholdina, tetsy Tsimbazaza omaly.

17-déc-2021

Aman-jatony ireo dosie tonga. Tsy manavakavaka sy mangarahara ny fanadihadiana ataonay, hoy ity vaomiera ity. Dosie miisa 4 eo no alainay ho amin’ny anio (TTF: omaly), hoy izy ireo. Isany ny fitarainan’ny Tiko Ambanja sy Mandoto. Isany koa ny eny Sabotsy Namehana sy Ambohimanarina. Na ho tapitra aza ny fivorianay ara-potoana dia miasa foana ity kaomisionina ity. Hamafisina fa hatramin’ny 31 desambra izao ny fandraisana fitarainana farany ho an’ity taona ity. Mikasika izay nidinanay ny herinandro teo toy ny eny Antanandrano dia mbola hisy indray ny fidinana eny an-toerana. Efa manomana fotoana amin’ny resaka ady amin’ny mpandova sy ny orinasa Telma izahay. Ny eny Fenoarivo dia mbola hamafisinay fa misy olona vitsivitsy. Isany ny ben’ny tananan’I Fenoarivo sy ireo ben’ny tanana hafa iray tsikombakomba na voatonotonona amin’io raharaha ady tany io dia ho antsoinay aty. Zonay izany. Rehefa mivoaka ny fehinkevitray dia eo izahay hiteny ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Mety hisy ny tatitra ataonay amin’ny Bianco na PAC raha tena hitanay fa misy kolikoly. Mety hisy fifampiresahanay sy fifampiantsoanay amin’ny minisitry ny fitsarana mikasika ny resaka hoe misy didim-pitsarana tsy rariny na tsy ampiharina. Ny eny Antanandrano izao, ohatra, efa namoaka didy ny fitsarana fa haato ny asan’ny Telma nefa izy ireo mbola miasa ihany. Zonay ny mampiantso azy na minisitra io na ben’ny tanana. Tsy fanaparam-pahefana fa fahefana omen’ny lalana anay izany, hoy hatrany izy ireo. Ao anatin’izao fety izao dia nifampiresaka tamin’ny minisitry ny fitsarana aho, hoy ny filohan’ity vaomiera ity, fa tsy tokony hisy fanalana vahoaka amin’ny taniny raha mbola azo ifampiresahana izany. Mbola anaty ahamehana ara-pahasalamana isika no ao anaty fety ka tokony dinihina tsara izany satria misy vadintany sasany maika ny hahazo vola dia na didy tsy tokony mbola hampiharina aza dia maika ery izy hanatanteraka azy, hoy hatrany ity vaomiera ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap