airtel

Sosialy

08-avril-2022

Sosialy

Varotra hani-masaka Omena fiofanana ireo mpivarotra ao Antehiroka

Sample post image

Tena hiankinan’ny fahasalamana ny sakafo hanina. Anisan’ireny ny sakafo hamidy eny amoron-dalana izay handraisana fepetra manokana manomboka izao ho an’ny kaominina Ambohibao Antehiroka,

08-avril-2022

 tarihin’ny Ben’ny tanàna Atoa Lalaina Vatosoa. Rehefa tsy manara-penitra mantsy izy ireny dia mety hiteraka fahapoizinana ara-mitarika mankany amin’ny fahafatesana mihitsy ka tsy azo hatao kilalao. Tranga misy hatrany izany isan’andro ho an’ny hopitaly HJRA etsy Ampefiloha. Hisy araka izany ny fanentanana ireo mpivarotra ao amin’ity kaominina ity. Tsy maintsy manana fitaovana toy ny vitrine…. avokoa ny mpivarotra rehetra mivelona amin’izany hametrahana ireny composé ireny. Tsy maintsy misy fitaovana fanasan-tanana ihany koa hiarovana amin’ny loto sy ny mikraoba…. Arahina fanaraha-maso ny fampiharana ny hetsika aorian’izany izay vao mety ho tonga any amin’ny fanasaziana raha araka ny fanazavan’ity Ben’ny tanana ity hatrany. Ho an’ny kaominina Antehiroka moa izay fandraisana fepetra izany fa andrasana kosa ny an’ireo kaominina hafa.
Pati
Legende : Atoa Lalaina Vatosoa, Ben’ny tanànan’ny kaominina Ambohibao Antehiroka
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap