airtel

Sosialy

05-avril-2022

Sosialy

Varotra sy fanjifana Mampitandrina ireo mpanararaotra vidin’entana ny fanjakana

Sample post image

Taorian’ny fihaonana sy ny dinika nifanaovan’ny Minisiteran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra tarihin’Atoa Edgard Razafindravahy tamin’ny mpamongady omaly maraina,

05-avril-2022

ireo mpaninjara sy ireo Lehiben'ny tsena indray no nihaona tamin’ity minisitra ity taorian’izay. Tafiditra amin'ny dinika mialohan'ny famoahana ny famerana ny vidin'entana ambony indrindra sy ny tombony azon'ny mpivarotra alaina io, raha ny fanazavana. Samy efa nihaona tamin’ny minisitera izany ny solontenan’ireo toko telo mahamasa-nahandro eo amin'ny entana ilaina andavanandro (mpanafatra, mpamongady, mpaninjara) izay efa nanomboka tamin'ny zoma lasa teo. Dingana takian'ny fampiharana ny lalàna 2018-020, andininy faha-2 ireo fihaonana ireo alohan'ny handraisana ny didim-panjakana famerana eo amin'ny Filan-kevitry ny Minisitra. Nomarihina sy notsiahivina fa manan-kery ao anatin'ny telo volana izany fepetra famerana izany ary azo havaozina indray amin'ny telo volana manaraka araka ny fivoaran'ny toe-java misy eto amin'ny firenena. Nampitandrina hatrany ireo mpandraharaha rehetra voakasika ny Minisitera fa tsy hilefitra intsony raha toa ka misy tsy fanarahana sy tsy fanajana ny famerana hapetraka. Hiroso amin'ny fampiharana ny lalàna voalaza etsy ambony ao amin'ny andininy faha-55 sy faha-62 raha misy tsy fanajana io famerana nifanarahana io, hoy hatrany ny fanamafisana. Tsara moa no mampahatsiahy, fa nankatoavina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 30 martsa teo io fanapahan-kevitra hamerana ny vidin’ny entana ilaina amin’ny andavanandro io hisorohana ny fanararaotana sy fampidanganana ny vidiny. Andrasana araka izany ny fivoahan’izay famerana izay, ka irariana mba tena hisy ny fanaraha-maso sy ny fampiharana azy. Mila jerena ihany koa etsy andaniny ny vahaolana hampiakarana ny fahefa-mividin’ny vahoaka, izay miha mahantra fadiranovana hatrany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap