airtel

Sosialy

26-déc-2022

Sosialy

Varotra sy fanjifana Midangana andro aman’alina ny vidim-bary

Sample post image

Mbola vao aty amin’ny volana desambra dia efa midangana izay tsy izy ny vidim-bary, manodidina ny 900 Ar noho mihoatra ny kapoaka ho an’ny vary mba tsaratsara kalitao, izay tena mampikolay vahoaka tokoa.

26-déc-2022

Any am-potony, tahaka ny any amin’ny Faritra Alaotra, efa tafiakatra 800Ar ny kapoaka amin’izao. Misy amin’ireo tantsaha aza no efa lasa mividy vary ny ankamaroany satria nivarotra mora ary mividy lafo. Tsy maintsy ny vokatra no navadika ho vola hiatrehana ny fiainana andavanandro kanefa avy eo lasa mividy lafo. Etsy andaniny, tsy manana politika mazava hifehezana an’io ny Fanjakana matoa roa taona aty aorian’ny nilazana fa hoferana 550 Ar ny kapoaka, eny fa na ireo vary ratsy kalitao ireharehan’ny mpitondra ho vahaolana aza tsy azon’io. Na ny vola hanafarana aza ve hisy intsony, raha tarafina amin’ilay hoe: bokan-trosa ananan’ny Serananantsambon’I Toamasina 14 miliara Ar ny SPM (State Procurement of Madagascar). Ny mason-karena any ivelany ihany koa anefa miakatra satria noho ny krizy maneran-tany, dia mifehy sy mametra ny fanondranana ataony ireo firenena mpamatsy tahaka an’I Inde, Pakistan, Japon,… Vao aty amin’ny volana desambra, mbola tsy misy resaka rivodoza sy andro ratsy, dia efa izao no miseho. Mampanahy ny aoriana, ary ahiana hihamafy ny krizy, raha izao fandehan-draharaha izao. Ny resaka fiompiana sy fambolena moa eto amintsika, toa tsy dia angadin’ilay Fanjakana fa ny azy mila zavatra ahafahany manasongadin-tena miorina amin’ny haitraitra sy seho ivelany: Miami, teleferika, Tanamasoandro, kianja,… Malagasy hatrany amin’ny 8,8 tapitrisa no voalaza fa anaty tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka, niakatra ho 81% ny tahan’ny mahantra fadiranovana,… saingy mbola sahiny ny mirehareha fa izy, hono, no voahosotra ho tompondakan’ny tsy fanjariana ara-tsakafo aty Afrika.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap
22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap