airtel

Sosialy

27-août-2021

Sosialy

Vary, menaka, lafarinina, saribao “Ferana ary tsy hiova ny vidiny ao anatin’ny 6 volana”

Sample post image

Taorian’ny fidinana ifotony narahina fihaonana sy fifampidinihana tamin’ireo mpandraharaha mpamokatra eto an-toerana, dia hametraka ny "prix de référence"

27-août-2021

 amin'ny entana ilaina amin’ny andavanavandro na ny PPN ny Fanjakana, araka ny fanambaran’ny Minisitry ny Indostria sy ny varotra, ary ny fanjifana Atoa Edgard Razafindravahy omaly. Nambara fa tsy hiova ao anatin’ny 6 volana eo ny vidin’ny PPN vokarina eto, ary hanan-kery hatrany amin'ny janoary 2022 any ho any izany fameram-bidy izany. Natao indrindra io hitsinjovana ny haron'ny mpanjifa na ny "panier menagerie”, hoy hatrany Atoa Edgard Razafindravahy. "Tsy misy toerana ho an'ny mpanararaotra eto, ary tsy hipetra-potsiny ny fanjakana raha sanatria misy izany », hoy izy. Misy orinasa mpanao menaka eto Madagasikara, dia ny HITA izay miorina ao Toamasina, mamokatra ny 70% ny filana eto an-toerana. 109.000 Ariary ny vidin'ny menaka "huile de palme" amin'ny "bidon" 20 litatra miala ao amin'io orinasa io, ka nambara fa tsy tokony hihoatra ny 6000 Ar ny litatra tonga eny amin'ny mpanjifa. Ho an'ny menaka azo avy amin'ny soja kosa, tsy mihoatra ny 7000 Ar/L "en vrac" ary tsy mihoatra ny 7500 Ar/L amin'ny tavoahangy mihidy. Ho an’ny siramamy indray, misy ny orinasa ao namakia sy Ambilobe, izay miantoka ny 40 hatramin'ny 50% ny vokatra eny an-tsena, hoy ny minisitra, ka nilazany fa tsy mihoatra ny 2600 Ar/kg amin'ireo siramamy vokarina eto an-toerana ireo. Misy ihany koa ny orinasa mpamokatra lafarinina lehibe eto, afaka miantoka ny 70% ny filana eto anatiny, ary tsy mihoatra ny 2600 Ar/kg eny amin'ny mpanjifa, hoy io Minisitra io. Maro ihany koa ny tahiry amin'ireo paty na "nouilles instantanées". Mikasika ny vary dia tsy tokony ho latsaky ny 1200 Ar/kg akory eny amin'ny tantsaha, tsy mihoatra ny 2000 Ar/kg vary fotsy eny amin'ny mpamongady, ary tsy mihoatra ny 2300 Ar/kg tonga eny amin'ny mpanjifa, raha ny nambarany. Nohamafisiny koa fa tsy mihoatra ny 23 000 Ar ny iray gony amin'ny saribao na arina fandrehitra. Tsy hiakatra ny vidin'ireo ao anatin'ny enim-bolana, hoy hatrany ny fanamarihana.


Notsipihiny mazava fa tsy "interventionnisme" na fidirana an-tsehatra sy hanao fifehezana no ataon'ny fanjakana fa ho fifampitsinjovana. Efa nifanarahana ny zavatra rehetra, ka tsy misy hoe : misy ny varotra fatiantoka. Hanamboatra peta-drindrina ny Minisitera, ka hapetraka eny amin’ny mpivarotra izany, izay amin’io septambra io no tokony hihatra. Tsy misy « subvention » avy amin’ny Fanjakana. Mila didim-panjakana ny fampiharana an’io. Andrasana ihany koa mazava ho azy ny fahatanterahan’izany rehetra izany satria efa nanamafy izany ny Fanjakana fa tsy misy toerana ho an’ny mpanararaotra eto, ary tsy hipetra-potsiny eo anatrehan’izany ny Fanjakana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap