airtel

Sosialy

26-avril-2024

VARY TONGA TAO ANTSIRANANA

50 taonina tamin’ireo 1.060 simba avokoa

Sample post image

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

26-avril-2024

Nahatratra 50, 6 taonina tamin’ireo vary milanja 1.060 taonina tonga tao Ramena Antsiranana ny 25 Aprily teo mantsy no fantatra fa simba. Taorian’ny analizy natao teo anivon’ny laboratoara any an-toerana no nahafantarana izany ka nanosika ny talem-paritra ny varotra sy ny fanjifana ao amin'ny faritra DIANA, Atoa Tanigna Romuald Florentin sy ny mpitandro ny filaminana rehetra ary ny avy eo anivon'ny fadin-tseranana any an-toerana nandray ny andraikiny. Nodorana avy hatrany ireo vary simba ireo, hetsika natao tao amin'ny kaominina ambanivohitra Ramena distrikan’ Antsiranana ihany. Ny mba hahafahana miaro ny ain’ny mponina no tanjona. Raha hariana amina toerana iray fotsiny tokoa mantsy na alevina ireo vary simba ireo dia tsy maintsy mbola hisy haka ihany noho ny fahasahiranan’ny olona ateraky ny fidangan’ny vidim-piainana ankehitriny indrindra fa ny vary.
Pati
Legende : Nidedadeda tahaka izao ny fandorana ireo vary simba !
 

Dans la même rubrique

09-mai-2025

Navoakan’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fampandrosoana (PNUD)

Card image cap
09-mai-2025

Mitombo hatrany ny fidangan’ny vidim-piainana (inflation) teto Madagasikara raha

Card image cap
09-mai-2025

Tsy mitovy ny Base Toliara sy Soamahamanina, hoy ny fanehoan-kevitry ny kandida ho

Card image cap
09-mai-2025

Navoitran’ny tatitra 2025 teo anivon’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana misahana ny

Card image cap