airtel

Sosialy

28-janv-2021

Sosialy

Vary tsinjo 1500 Ar ny kilao, Tsenakely 984 no hivarotra azy

Sample post image

1500Ar ny kilaon’ny Vary Tsinjo nafaran’ny orinasam-panjakana SPM (State Procurement of Madagascar),

28-janv-2021

 

 

 

hamidy eny amin’ireo tsenakely sy ny tsena mora manerana ny Nosy, araka ny fampahafantarina tao anatin’ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra omaly 27 janoary. Vary izay nambara, fa ara-pahasalamana ary nahazo “certificate de consommabilité” ho an’ny olombelona avy amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana, ary nahazo fahazoan-dàlana hamidy avy amin’ny Minisiteran’ny varotra. Hanomboka rahampitso zoma ny fitsinjarana sy ny famarotana, izay nambara fa hitsinjovana ny isan-tokantrano. 05 kilao isan-kerinandro no azon’ny isam-pianakaviana vidiana, ary mila mitondra karinem-pokontany. Ho an’Antananarivo Renivohitra, dia hotsinjaraina eny amin’ireo tsenakely miisa 984 izany, ary efa voafantina ireo mpamongady sy mpaninjara ny vary mba hialana amin’ny fanararaotana sy fanodinkodinana, hoy ny fanazavana. Isan’ny hivarotra azy ny tsena mora manerana ny Nosy ho an’ny alatsinainy, alarobia zoma. Raha kajiana dia sahaza ho an’ny tokantrano 1 400 000 ny 7000 taonina ( 7 000 000kg), raha mividy io 5kg io avy. Raha tombanana ho 27 000 000 ny vahoaka Malagasy, ary vinavinaina ho 5 isaky ny fianankaviana iray dia 5 400 000 izany ny tokantrano eto, izany tsy hahasahana an’i Madagasikara manontolo aloha io hatreto.

Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap