airtel

Sosialy

27-janv-2021

Sosialy

Vary tsinjon’ny Fanjakana Hoferana ny fatra azo vidiana

Sample post image

Tonga teto Antananarivo omaly ny “vary tsinjo” avy amin’ny Fanjakana, hamidy amin’ny vidiny 500Ar isaky ny kapoaka,

27-janv-2021

 

 

 

araka ny tenin’ny Filoham-pirenena. Haparitaka eny amin’ny tsena mahazatra (Epicerie) eto Antananarivo, ka ho ferana ny fatran’ny vary azon’ny mpifidy jifaina, raha ny re omaly. Mbola tsy fantatra mazava kosa na firy kapoaka na firy kilao isaky ny olona no azo jifaina. 7000 taonina no nafaran’ny Fanjakana voalohany, ary afaka roapolo andro dia ho tonga ny sambo faharoa hitondra 8500 taonina, ary hitohy hatrany isam-bolana ny fanafarana mandra-pahamarin-toeran'ny vidim-bary, hoy ny Fanjakana. Raha kajiana amin’io 7000 taonina na 7 000 000 kg, manome 24 500 000 kapoaka io, dia mety ao anatin’ny roa andro izany io dia lany raha kajiana ambany ho 24,5 tapitrisa ny Malagasy ka mihinana tapa-kapoaka isan’andro avy. Tsy hahasehaka ny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy io, ary tsy sanatria finiavana hanakiana fa tsy mahavaha olana ny fanafarana na mety mahavita izay ho vitany tokoa aza. Tsy mahasahana ny filan’ny rehetra ny nafarana, fa any anatin’ny serasera no atao metimety. Tao anatin’ny roa volana izay no niresahana ity vary ity, saingy hatreto mbola tsy tena mivaha ny olana. Mila manova paikady, ary any amin’ny fampitomboana ny famokarana ihany no vahaolana.

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap