airtel

Sosialy

04-avril-2022

Sosialy

Vavatenina Maty main’ny herinaratra ilay ramatoa

Sample post image

Zava-doza no nitranga tao amin’ny amin'ny fokontany Anjiro, kaominina Anjahambe, distrikan'i Vavatenina, andro vitsy lasa izay.

04-avril-2022

Renim-pianakaviana iray 34 taona no maty, main'ny tariby mpitondra herinaratry ny orinasa JIRAMA.Raha ny nambaran'ireo nanatri-maso, dia nikasa haka ananambo atao rony amin'ny laoka atoandro ity ramatoa ity no izao nopaohan’ny fahafatesana tampoka izao . Avy anefa ny orana tamin'io fotoana io antony tena niteraka ny loza. Niezaka ny nanavotra azy ny manodidina nandritra izany saingy niara-tratran’ny herinaratra taminy ihany ka tsy maintsy nanavotra ny ainy. Marihina moa fa afaka ihany ity renim-pianakaviana ity nandritra izany. Raha vantany vao tonga teny amin’ny hopitaly anefa izy dia namoy ny ainy. Miisa 4 ireo kamboty navelany.
Nangonin’i Pati
Legende : Nitangorona nijery ny zava-nitrangga ny olona
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap