lasa mamelona ankohonana maro ankehitriny ny vetivera na vetivert ao Tsiroanomandidy ao, Faritra Bongolava. Lasa akora fototra hampiasain’ireo mpanao asa tanana izy ary tena be mpampiasa tokoa. Renim-pianakaviana mivondrona anaty koperativa no mifofotra mamboly sy mikarakara azy io mba hahafahan’izy ireo manatsara ny velon-tenany. Raha araka ny fanazavan-dRtoa Vero, anisan’ireo Renim-pianakaviana mivelona amin’izany dia hambolena toy ny bozaka ny veriveta. Fokontany iray toa an’i Maroloana no hamboleny izany izay maharitra 12 volana eo ho eo raha kely no fe-potoana lany. Ny sasany mamboly, ny sasany mikarakara ka izay vokatra azo noho izany dia havadika ho kojakojan-tokantrano toy ny vazy, fitoeram-bilia, haingon-trano maro samihafa....Mialohan’izany anefa dia marobe ireo fikarakarana tokony hatao toy ny fanamainana ny veriveta, ny fandokoana azy....Azo hanamboarana huille essentielle koa ny veriveta raha araka ny fanazavan’izy ireo izany hoe : karazan-java-maniry mbola azo trandrahana tsara eto Madagasikara. Hatreto moa raha araka ny fantatra dia mbola mijanona ho mpamokatra sy mpamatsy entana fotsiny izy ireo. Efa miparitaka eto an-drenivohitra ny vokatra vokatr’izany raha mbola tsy mahita lalam-barotra kosa izy ireo. Manodidina ny 50.000 Ar ny fitoeram-bilia miisa 6, 10.000 Ar ny sarona takamoa....
Pati
Legende : Hampaniriana toy ny vary tahaka izao ny vetivera !