airtel

Sosialy

18-janv-2024

VIDIM-BARY ENY AN-TSENA

Arahi-maso ny mety ho fanararaotana

Sample post image

Miditra tanteraka ao anatin’ny maitso ahitra isika ankehitriny.

18-janv-2024

Vitsy ny entana ilaina amin'ny fiainana andavan'andro tonga eny amin'ireo mpamongady sy ny mpaninjara ka mahatonga ireo mpivarotra sasany manararaotra mampiakatra ny vidin'entana. Efa miomana sy mandray fepetra mifandraika amin'izany anefa ny eo anivon'ny Ministeran'ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra. Misesy ny fidinana ifotony hataon'izy ireo eny anivon'ireo mpanangon'entana sy mpanangom-bokatra, ireo mpamongady ary eny anivon'ireo mpaninjara. Anisan'ny fomba fiasa atao amin'ny fidinana ifotony toy ny natao teny amin'ny tsenan' Akadindratombo sy Andoharanofotsy ny fijerena ny faktiora nakan'ireo mpivarotra ny entana. Ampitahaina avy eo izany sy ny vidin'entana voasoratra ho hitan'ireo mpanjifa. Amin'izany no ahitana raha misy ny fanararaotana eo amin'ny fakana tombony na tsia. Nanamafy anefa ny tale Jeneralin'ny varotra eo anivon'ny ministeran'ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra fa ao anatin'ny fanalalahana amin'ny vidin'entana sy ny fifanakalozana ara-barotra isika ka tsy natao hametra ny vidin'entana ny ministera fa natao kosa mba hanara-maso mba hihatra ny vidiny ara-drariny sy tsy hisy ny fakana tombony miompampana ataon'ireo mpivarotra. Ankoatra ny fanaraha-maso amin'ny resaka vidin'entana, anisan'ny nojerena tamin'ny fidinana ifotony natao ihany koa ny fijerena ny resaka kalitaon’ ny entana amidy. Tsy maintsy misy "palette" hametrahana ireo vary tehirizina mba tsy ho tratran'ny rano, mila manaraka ny fenitra ny toerana fitehirizana sy ny maro hafa. Izany no natao dia mba ho entana tsara kalitao no omena ireo mpanjifa. Nohamafisin’ny Ministera moa fa tsy misy atahorana ny resaka tahirim-bary eto amintsika. Tsy tokony hikoropaka arak'izany ny mpanjifa no tsy hanaiky hokorontanina ihany koa.
Pati
Legende : Izao no nambara fa tokony ho vidim-bary ara-dalana eny an-tsena !

 

Dans la même rubrique