Nozahana moa tamin’ireny fotoana ireny izay nalehan’ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa saingy sady mandray finday no tsy nahenoana fanehoan-kevitra firy, indrindra, mikasika ity vidim-bary hita ho miakatra isan’alina ity. Hita ho misy mihazakazaka hivarotra 5000 Ariary ny kilaom-bary mihitsy ankehitriny ireo mpivarotra eny an-tsaina. Tsy ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa ihany no ombay mitady fa aiza ihany koa ny fandraisan’andraikitry ny minisiteran’ny varotra sy fanjifana manoloana ireo endrika fanararaotana maro? Taiza ny minisitra no tsy hita nandritry ny fanamarihana ny andron’ny mpanjifa natao tany Toamasina ny faran’ny herinandro teo?
J. Mirija
Efa manomboka miditra mian-dalana mankany amin’ny vanim-potoanan’ny hafanana isika eto an-drenivohitra amin’izao.
Miakatrabe ny ranomasina any amin’ny Faritra Atsimo Andrefan’ny Nosy.