airtel

Sosialy

17-avril-2024

Vidim-piainana tsy mitsaha-miakatra

Misy ambana goavana indray, ny mpitondra anefa tsy mahomby

Sample post image

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

17-avril-2024

araka ny antontan’isan’ny Ivon-toeram-pirenena momba ny antontan’isa na ny INSTAT. Voalaza fa niakatra 6,7% ny vidim-bary, raha toa ka teo amin’ny 7,0% kosa ny vidin’ny entana ilaina andavanandro na ny PPN amin’ny ankampbony. Ho an’ny vokatra ara-tsakafo, nahitana fiakarana 7,6% ny vidin’ny zava-pisotro tsy misy alikaola. Nahitana fiakarany 6,3% kosa ny angovo. Ho an’ny sehatry ny fanamboaran-trano sy fampitaovana ary ny fikojakojana kosa dia nahatratra hatrany amin’ny 10,2%. Ny sehatry ny serasera ihany koa dia nahitana fiakarana 9,8% ihany koa, raha ny antontan’isan’ny INSTAT ihany. Io ny antontan’isan’ny INSTAT amin’ny ankampobeny, saingy ny zavatra iainan’ny Malagasy amin’ny ankampobeny, dia tena ambony lavitra noho izany, mety any amin’ny 30% aza raha kely. Miha midangana andro aman’alina ny vidim-piainana, mihena ny fahefa-mividin’ny vahoaka, miha sahirana andro aman’alina ny Malagasy,… Betsaka ireo anton-javatra manampy ny fahasahiranam-bahoaka toy ny fahapotehan’ny làlana manerana ny Nosy izay mampiakatra ny vidim-piainana, ny vidin-tsolika sy ny vidin’ny angovo ary ny delestazy izay mampihena ny famokarana ara-toekarena, ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra ka tsy voajery ny tena tokony ho laharam-pahamehana amin’ny lafiny toekerana sy sosialy,… Ankehitriny, mbola ambana goavana ara-toekarena indrindra ho an’ny firenena marefo sy ratsy tantana tahaka antsika io ady any Gaza io, raha mitohy. Miitatra ny raharaha satria efa tafiditra ihany koa ireo firenena hafa toa an’I Iran. Mety hiteraka fiakaran’ny vidin-tsolika hatrany amin’ny 120 dolara ny barila raha toa ka manodidina ny 85 dolara izany ankehitriny. Manana politika ara-toekarena sy ara-tsosialy hiatrehana an’izany ve ny Fanjakana sa hanadala saim-bahoaka amin’ny bus manara-penitra 1000 sy ny fampiakaran-karama tsy mahomby tahaka ny efa natao tamin’ny janoary 2022 nampiakarana hatrany amin’ny 45% ny vidin’ny solika teto Madagasikara ka na nihena na nidina ny teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia tsy mba nisitraka izany ny Malagasy? Handeha indray ny fanarontsaronana ny tsy fahombiazana amin’ny ady any Moyen Orient sy ny manodidina tahaka ny efa nanilihana ny tsy fahaiza-mitantana tany amin’ny coronavirus sy ny ady any Ukraine?
Toky R

Légende: Ambana lehibe ny mety ho fiantraikan’ny ady any Ukraine, ka hihombo ny aretin’ny firenena raha mbola hoentina amin’ny “werawera” hatrany!

 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Nosokafana omaly tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny varavarana misokatra ho fanamarihana ny andro

Card image cap
30-avril-2024

Olona miisa 1.250 no lasibatra Mahazo vahana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika

Card image cap
29-avril-2024

Tapa-bolana taorian’ny fandalovan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tao Toamasina,

Card image cap
29-avril-2024

Lasa fidiram-bola tsy azo antenaina firy intsony amin’izao ny fandraisana hofantrano isam-bolana,

Card image cap
29-avril-2024

Tany Antsohihy vao hita i Christiano sy ilay mpitaiza azy , zaza faharoa tsy hita tao Mahajanga ny Zoma 26 Aprily lasa teo.

Card image cap