airtel

Sosialy

07-juil-2022

Sosialy

Vidin-tsolika hidangana Mitaintana ny vahoaka, toran-kovitra ny Fanjakana

Sample post image

Mihisatra dia mihisatra ny dinika sy fifandaminana eo amin’ny Fanjakana sy ny mpandraharahan-tsolika. Efa nanomboka tany amin’ny tapaky ny volana jona, saingy tsy hita izay tena vokany.

07-juil-2022

Ny olana miha mitombo ihany, raha tsy hilaza afatsy ny tsy fahampian’ny solika hamatsiana ny Jirama, izay efa naneho ny 14 jona fa mihena 30% ny famatsiana solika. Tsy eto Antananarivo ihany ny delesatazy fa manerana ny Nosy, ary io resa-tsolika io no isan’ny antony voalohany. Mbola vitan’ny Filoha no nanao kabary politika tany Ambovombe fa raha tsy nakany ve izany izy dia havela ho maizina ny vahoaka ? Etsy andaniny, tsy mety miravona ny fifanenjanana misy satria efa tena tandrohan’ireo orisan-tsolika ny Fanjakana Rajoelina, raha tarafina amin’ilay olana tao Toamasina ny faran’ny herinandro teo momba ny resaka fampidiran-tsolika. Voalaza fa nanana olana ny ladoany sy ny mpandraharahan-tsolika satria nanenjana ireto farany amin’ny resaka fandoavam-bolan’ny ladoany noho ny trosa ananan’izy ireo ny Fanjakana. Delestazy tsy nifankahitana no vokany. Efa fahazaran’ny Fanjakana Rajoelina no manao don-tandroka, saingy misy fetrany ihany izany. Ny resaka vidin-tsolika amin’ny ankampobeny, dia io mbola tsy misy zavatra tapaka io. Tsy miaro ireo mpandraharahan-tsolika fa matoa ny olona tonga mandraharaha sy mampiasa vola eto dia tsy fatiantoka velively no tadiaviny. Mila fahaiza-miresaka sy miady hevitra io, fa tsy azo entina bontolo, ary zavatra stratejika be iankinan’ny aim-bahoaka io. Zara aza voatazon’ny Fanjakana tsy hiakatra io, zara aza mitarazoka ny fampiakarana, fa ny mety ho olana dia hitombo ny trosan’ny mpandraharan-tsolika amin’ny Fanjakana, izay tsy maintsy any amin’ny vidin-tsolika hatrany no hanentsenany izany eo anatrehan’ny fisavovonan’ny trosany amin’ny Fanjakana. Ny mpamatsy vola etsy andaniny manao tsindry amin’ny tsy hanaovan’ny fanjakana “réquisition” sy “subvention” amin’ny resa-tsolika. Mety ho ambony kokoa ny fiakarana raha hitambatambatra sy hitarazoka be ny trosa, ary mitarika ny vahoaka hiroaroa saina ny tsy fisian’ny fanapahan-kevitra mazava. Mitaintaina amin’ny ho fiantraikany amin’ny fidangan’ny vidim-piainana ny olona.
TSY MITOVY NY TOEKARENA ETO SY ANY IVELANY
Ekena fa misy tokoa angamba ny ezaky ny Fanjakana nitazona an’io tsy hiakatra hatramin’izay, ary raisin’ny fitondrana ho teboka miabo izany satria ny any ivelany mampihatra ny vidiny tena izy, ny antsika mbola ao anatin’ilay hoe: “administration de prix” hisorohana ny fipoahana ara-tsosialy, ary efa tena toran-kovitra ny Fanjakana, indrindra fa amin’izao akaiky fifidianana izao. Tsy hitovy mihitsy ny mandoa 2 euros any Frantsa sy mandoa 8500Ar aty Madagasikara. Voizina mantsy ny hoe: isan’ny mora indrindra io vidin-tsolika aty amintsika io. Mitaha amin’ny iraisam-pirenena izany, far aha mitaha ny toekarentsika dia tena mavesatra io. Raha mahay mitantana ny Fanjakana, raha mba niakatra ny fari-piainan’ny vahoaka fa tsy mitotongana, maivana amin’ny vahoaka tahaka ny miseho any ivelany no miatrika an’io. Ny eto anefa krizy lava, ka isan’ny fositra ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fahaizana mijery lavitra. Any amin’ny fampiakarana ny sandan’ny Ariary, ffampitomboana ny fahefa-mividin’ny vahoaka no mila jerena rehefa tsy azo hihodivirana ny fiakaran’ny vidin-tsolika izay tsy ho voatohitry ny Fanjakana Rajoelina velively rehefa zohiana ny tantara. Any amin’ny filalaovana ny saim-bahoaka amin’ny tsy araka ny resabe ny fiakarana fa mba 1000 hatramin’ny 2000Ar.
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap
22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap