airtel

Sosialy

18-mars-2022

Sosialy

Vidina PPN midangana Mahazo vava be amin’ny mpanjifa ny mpivarotra

Sample post image

Ela ny ela fa mitaraina ny amin’ny vavan’ny mpanjifa mahazo azy ireo mpivarotra enta-madinika eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

18-mars-2022

Tato anatin’ny herinandro mantsy izao dia tsy mitsaha-niakatra ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro, antony mampivazavaza sy mampimenomenona ny rehetra. Ny vola miditra isan-tokantrano anefa tsy mitombo fa ny eo ihany no eo. Raha araka ny fanadinadiana natao dia ny lafarinina izay nahitana fiakarany 500 Ar ny iray kilao, ny menaka izay niakatra 300 Ar isaky ny litatra, ny siramamy izay niakatra 200 ka hatramin’ny 400 Ar ihany koa ny iray kilao ary ny savony no tena nanao tohivakana ny fiakaram-bidiny tato ho ato. Ho an’ny menaka mbola anaty tavoahangy ohatra raha 8500 Ar ny iray litatra teo aloha dia tafakatra 8800 Ar izany ankehitriny. Niakatra ho 8200 Ar kosa ny iray litatra amin’ny menaka madio anaty barika raha 8000 Ar teo aloha. Raha araka ny fanazavan’ireo mpivarotra enta-madinika hatrany moa dia hatrany am-potony fakana ny entana mihitsy no mampiakatra ny vidin’entana fa tsy avy amin’izy ireo. Tezitra manoloana izany avokoa ny mpanjifa noho ny fitovian’ny valin-tenin’izy ireo. Misy ihany koa mantsy ireo manararaotra ny zava-misy ka tsy mametraka vidin’entana hita maso fa rehefa mividy ny mpanjifa vao ilazana. Tsiahivina moa fa raha nafana dia nafana teo aloha ny fanaraha-maso ny vidin’entana eny an-tsena nataon’ny Ministeran’ny Varotra dia lasa nangina tanteraka izany ankehitriny. Toa tsy mahamaika izao fitondrana mijoro izao mihitsy araka izany ny fandraisana an-tanana ny sosialim-bahoaka izay tena ain-dehiben’ny rehetra. Angamba hiandry ny fipoahana ara-tsosialy izy ireo vao ho tonga saina.
Pati
Legende : Tsy mitsaha-miaka-bidy ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap
22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap