airtel

Sosialy

11-avril-2023

Sosialy

Vidin’entana misondrotra isan’andro Midi-trosa ny 80% n’ny tokantrano Malagasy

Sample post image

Lafo ny entana ilaina amin’ny fiainana an-davanandro, miha tsy taka-bidy ireo sakafo ary tena miaina anaty fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantano Malagasy.

11-avril-2023

24 000 ar ny iray kilao amin’ny trondro tilapia eto Antananarivo, 6000 ka hatramin’ny 9000 ar anefa izany any afrika, 9000 ar ny kilaon’ny tongolo, ananana voafehin’ny tanana ny 500 ar, izany hoe niakabidy 5 avo heny raha ampitahaina ny tamin’ny herintaona lasa. Ny tsakitsaky rehetra eny an-dalana, fanaovan’ny olona « kibo an-tsena » dia niaka-bidy noho ny fiakaran’ny akora sy ny vidin-tsakafo mazava ho azy, ka raha lasopy 300 ar teo aloha ohatra dia efa lasa 500 ar amin’izao fotoana, ny mofo misy composé raha 1000 ar amin’ny ankapobeny ireo vidiny antonony dia efa lasa 1500 ar. Ireo entana sokajiana fa jifain’ny tokantrano antonony sy ny sahirana ireo resahana ireo fa ho an’ny tokantrano zatra miantsena amin’ireo antsoina hoe « grande surface » dia nahita tsara ihany koa fa niaka-bidy avokoa ny entana, indrindra fa ny menaka, dibera, fromazy, yaourt ka manodidina ny 10 ka hatramin’ny 30% ny fiakarana. Tombanana ho manodidina ny 11,5% ny tahan’ny fisondrotan’ny vidim-piainana amin’ny ankapobeny raha ny tombatomban’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ny volana janoary 2023, kajy faobe no nahazoana an’io fa raha ny resaka vidin-javatra eny an-tsena dia efa ela no voasongona io tarehimarika io ; ny misy dia na misondrotra ilay vidin’entana, na tsy misondrotra fa any amin’ny habetsahany no mihena.
Legende :Niaka-bidy ireo tsakitsaky fanaovana kibo an-tsena
MITROSA
Raha ny resaka fidiram-bola dia mitovy ny vahoaka sy ny fanjakana, samy sahirana satria tsy ampy ny vola miditra raha oharina amin’ny fandaniana. Raha ny fanadihadiana tsotsotra natao dia mitrosa entana na maka « avance sur salaire » anya m-piasana na any amin’ny banky na amin’ny alalan’ny Mobile money ny 80% n’ny tokantrano ; raha tsy izany dia tsy misy hohanina hatramin’ny fotoana handraisana ny karama manaraka indray.Ny resaka hoe ambim-bava sy tahirim-bola moa izany dia efa mijanona ho nofinofy.


TSY AMPY VOLA, TSY AMPY SAKAFO
Mazava ny resaka eto fa tsy mifanalavitra amin’ilay tahan’ny fahantrana 81% eto Madagasikara io . Ny maridrefy ampisaina maneran-tany handrefesana ny fahasahiranana na ny fahantrana moa dia ny hoe : mila manana 2,15 dolara na 9389 ar isan’andro ny olombelona iray, rehefa tsy manana an’io dia sahirana izay no dikany. Tsy atao mahagaga raha efa manafosafo ny 50% ny tahan’ny tsy fahampian-tsakafo eto Madagasikara satria sady tsy ampy ny vokatra, no lafo ny entana eny amin’ny tsena raha oharina amin’ny vola am-pelatanan’ny isan-tokantrano.
Legende : Lany nialana voly ny kely teo am-pelatanana dia mitady indray, ezaka isan’andro ny fiainan-dRamalagasy
RTT
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap