airtel

Sosialy

02-nov-2023

Vidin’ny jirofo

Niakatra avo roa heny ho an’ny tsena anatiny

Sample post image

Nisy fiakarana avo roa heny ny vidin’ny jirofo eto amintsika, raha ny tatitra voaray.

02-nov-2023

Raha tany amin’ny 10 000Ar ny vidin’ny iray kilao amin’ny jirofo eny amin’ny mpamboly teo aloha, tany am-piandohan’ny taom-piotazana, dia tafakatra maherin’ny 20 000Ar izany tamin’ity taona ity. Velom-bolo ny tantsaha satria tsara ny vidim-bokatra. Tsy hionona amin’ny famokarana fotsiny toy ny nahazatra azy ny kaoperativan’ny mpamboly jirofo satria hatramin’ny nivoahan’ny Lalàna momba ny Orinasa kaoperativa dia ho afaka manondrana mivantana mankany ivelany izy ireo, hoy ny fanazavana. Anisan’ny miandrandra fahazoan-dalana hanondrana jirofo ny Kaoperativa Taratra any amin’ny faritra Analanjirofo. Ho an’Analanjirofo manokana dia nisokatra ny 25 Septambra 2023 ny taom-piotazana vihin-jirofo (clou de girofle). Afaka roa volana aorian’io, ny 25 novambra 2023 kosa no manomboka ny fiotazana ny lagrifa (griffe de girofle). Manodidina ny 40 000 taonina isan-taona ny vokatra jirofo malagasy haondrana any ivelany. Tojo fahasahirana ny seha-piharina jirofo any Indonezia izay mpamokatra jirofo betsaka indrindra eran-tany ankehitriny ka tombony ho an’i Madagasikara izany toe-javatra izany, raha ny fanazavana hatrany. Anatin’ny fikirakirana sy fandinihana ireo atontan-taratasy fangatahana fahazoan-dalana hanondrana jirofo na fanavaozana izany ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny Varotra sy ny Fanjifana, Isidore Razanakoto. Mitsahatra vonjimaika, araka izany, ny fanondranana jirofo. Afaka manondrana avy hatrany ireo nahazo ny "agrément" raha vao mivoaka ny lisitr’izy ireo, hoy ny fampitam-baovao.
Toky R 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mitombo ireo Renim-pianakaviana mamono sy manary ny zanany eto amintsika.

Card image cap