airtel

Sosialy

13-avril-2022

Sosialy

Vina Fanabeazana sy asa mendrika Ho jerena manokana ny tontolo ambanivohitra

Sample post image

Tontosa omaly tetsy amin ny Le Pave Antaninarenina ny atrikasa nanasoniavana ny fifanarahana momba ny drafitra hanatsarana ny kalitaon ny fanabeazana sy ny asa miompana indrindra amin ny tontolo ambanivohitra na ilay

13-avril-2022

antsoina hoe FAR. Izy io, raha ny fanazavana, dia tafiditra ao anatin’ny iraka ampanaovina ny minisiteran’ny fampianarana tekinika sy fampiofanana ara-kasa na METFP izay tafiditra anatin’ny praogramam-panjakana ankapobeny na PGE. Velirano fahaefatry ny filoham-pirenena ny hahazoan’ny rehetra fanabeazana mendrika ary faha enina ny asa mendrika ho an’ny rehetra. Mikasika izay resaka asa izay, indrindra, dia nisafidy hatramin’izay hiompana amin’ny fampandrosoana izany eny amin’ny tontolo ambanivohitra ny tambazotra antsoina hoe FARMADA izay mitondra izao drafitra izao. Miompana amina fomba fiasa miisa 3 lehibe, raha fintinina, ny paikady apetraka dia ny fampitomboana ny fahaiza-manaon’ireo mpikambana anatin’ity tambazotra ity, ny fampandrosoana ny vokatra na Label antsoina hoe SOA FAR ary ny fanampiana ireo mpikamban’ny FARMADA amin’ny fampiroboroboana ny ivon-toerana tantanin’izy ireo, hoy hatrany omaly ny fanazavana voaray.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap