orinasa ny vokatra ao aminy
Tanterahina eo anoloan'ny Gara Antsirabe ny hetsika ara-toekarana "Vitrine du Vakinankaratra". Andiany faha-28 ny amin'ity, izay nanomboka ofisialy omaly ary hitohy hatramin'ny rahampitso sabotsy 17 oktobra 2026. Toy ny isan-taona dia ny FIOVA na Fivondronan'ny Orinasa eto Vakinankaratra no mikarakara ity hetsika ity hanomezana sehatra ireo orinasa miankina na tsy miankina hampirantian'izy ireo ny vokatra ao aminy. Tranoheva maherin'ny 380 isa no nanehoan'izy ireo izany. Tanan-dehibe faharoa maro orinasa Antsirabe. Nanararaotra ity Vitrine du Vakinankaratra ity ny Filohan'ny delegasiona manokan'ny tananan'Antsirabe Andriantomponera Fidinirina nanaovany antso fanentanana ny rehetra mba samy tokony handray anjara ho fampandrosoana ny tanàna. "Misokatra amin'ny fiaraha-miasa rahateo ny Kaominina Ambonivohitra Antsirabe ho tombontsoan'ny rehetra", hoy izy. Tonga nanome voninahitra ny lanonam-pakokafana omaly ny Minisitry ny Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana Rakotonandrasana Hanitra Velonjara Tiaray sy ny Minisitry ny indostria sy ny sehatra tsy miankina Raharimanjato Ny Riana Nampoina.
Jean D.