airtel

Sosialy

21-janv-2022

Sosialy

Voatondro ho namosavy olona Saika niharan'ny fitsaram-bahoaka ilay vehivavy

Sample post image

Vehivavy iray, 47 taona no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ny alarobia 19 janoary lasa teo raha tsy tonga faingana ny mpitandro filaminana mivondrona amin’ny Force de Défense et de Sécurité ao amin’ny faritra Manakara.

21-janv-2022

Vehivavy iray, 31 taona, manan-janaka 04 no maty tamin’ny fomba mampiahiahy ny fianakaviany ny ny fiatombohan’ny herinandro teo raha tsiahivina. Nilaza koa ity vehivavy ity talohan’ny nahafatesany fa vehivavy iray monina ao Andranofasika Atsinanana no namosavy sy nanapoizina azy izay tsy iza fa io saika niharan'ny fitsaram-bahoaka io. Tezitra noho izany ny fianakavian’ny maty ka nisambotra ilay vehivavy 47 taona voatondro ho mpamosavy sy namono nahafaty olona ny alarobia teo tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Notanan’izy ireo an-keriny tamina trano iray ilay vehivavy ary efa nokasain’izy ireo hanaovana fitsaram-bahoaka. Nandray andraikitra manoloana izany ny Mpitandro filaminana ao Manakara ka nisy ny fampihaonana ny fianakavian’ny maty sy ny fianakavian’ilay vehivavy voalaza ho namosavy mba hamotsorana ity farany saingy nandamoka izany. Noho izany dia voatery niditra an-keriny tao amin’ilay trano nitanana ilay vehivavy ny mpitandro filaminana mba hanavotana ny ainy. Taorian’izay dia nahiboka tao amin’ny Tobin’ny Zandarimariam-pirenena any an-toerana ilay vehivavy mandritra ny famotorana rehetra izay atao azy.
Pati
Legende : ity ilay ramatoa
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap