airtel

Sosialy

09-août-2023

Sosialy

VOHIPENO-FENERIVE EST Atakalo vary iray kapoaka ny lavanila 2 kg…

Sample post image

Mafy ny fahasahiranana mianjady amin’ireo tantsaha mpamokatra lavanila any amin’ny distrikan’i Vohipeno sy Fenerive-Est.

09-août-2023

Raha araka ny vaovao voaray mantsy dia hamidy 500 Ar ny iray kilao amin’ny lavanila any an-toerana amin’izao fotoana izao. Misy ihany koa manakalo ny lavanila maitso 2 kg ho vary iray kapoaka mba hahafahan’ny ankohonana mihinana indray mandrotsaka. Tsy misy hafa amin’izay ny fiainan’ireo tantsaha mpamokatra lavanila any amin’ny Faritra SAVA saingy mbola ambonimbony kely kokoa. Efa nampidinina ho 6.000 Ar mantsy ny iray kilao amin’ny lavanila nefa mbola tsy misy mpanjifa ihany. Raha araka ny fantatra anefa dia mahatratra 4 taonina sy 200 kilao ny lavanila tonga eny tsena amin’izao fotoam-pisokafan’ny tsenan’ny lanavila izao saingy tsy misy mpaka ihany koa. Betsaka amin’ireo tantsaha no very fanahy mbola velona noho izany koa manahy mafy izay mety ho tohin’ny antom-pivelomany. Hatramin’ny nijabahan’ny fitondram-panjakana tamin’ity resaka lanavila ity moa raha tsiahivina no nampitontongana fatratra ny fiainan’ireo tantsaha mpamnoly azy tahaka izao.

Hakariko avo telo heny ny vidin’ny lavanila, hoy ny Filoham-pirenena ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ny propagandy 2018, ka ny faritra mpamokatra lavanila dia I SAVA sy Analanjirofo no nahazoany isam-bato be indrindra tamin’izany. Manodidina ny 1 tapitrisa Ar ny kilaon’ny lavanila maina tamin’izany, ary manodidina ny ampahaimin’io ankehitriny. Mbola nampiany indray taty aoriana hoe: tsy havelako hogejain’olom-bitsy ny lavanila! Aiza ho aiza isika izao dimy taona aty aoriana?
Nangonin’i Pati
Legende : Tsy misy mpividy ny lavanila maitso any amin’ny faritra avaratra !
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mitombo ireo Renim-pianakaviana mamono sy manary ny zanany eto amintsika.

Card image cap