airtel

Sosialy

07-oct-2021

Sosialy

Vohipeno Mamelon-janaka irery ny 10%n’ireo renim-pianakaviana

Sample post image

Iray amin’ireo andraikitra hihantsorohan’ny Fanjakana foibe amin’ny alalan’ny fandaharanasa vatsin’ankohonana ihany koa ny fanohanana ny Reny sy ny zaza amin’ny alalan’ny tantsoroka maro.

07-oct-2021

 Raha ny ao amin’ny distrikan’i Vohipeno manokana dia 10% ny renim-pianakaviana ao an-toerana dia « vehivavy mivandrika » na « mère célibataire » avokoa ka voatery mamelona samy irery ny zanany. Ho fanohanana azy ireo indrindra, ao anatin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa vatsin’ankohonana dia entanina ireo ankohonana misitraka ity vatsy ity, hijoro amin’ny maha-olom-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany ny fampahafantarana azy ireo ny maha zava-dehibe ny fananana karapanondro, ny maha-zava-dehibe ny fananan’ny ankizy kopia, ny maha zava-dehibe ny fanatonana tobim-pahasalamana.
Legende 1 : Ramatoa Rajaobelina Marie Lucie, Lehiben'ny Distrikan'i Vohipeno
Tao anatin’ny 5 taona nisihan’ny fandaharanasa dia hita mivantana ny fitombohan’ireo ankohonana manana karapanondro, ny fahavitrihan’ny reny manamboatra kopia ho an’ny zanany ary betsaka ihany koa ny fianakaviana mazoto mamonjy tobim-pahasalamana na amin’ny resaka fanaovam-baksiny ny zanany na ny reny bevohoka, araka ny nambaran’dRamatoa Rajaobelina Marie Lucie, Lehiben'ny Distrikan'i Vohipeno. Antony iray goavana nahatonga ny olona tsy liana tamin’ny fanaovana kopia sy karapanondro hoy izy ny fahasahiranana lalina mianjady amin’izy ireo izay nahatonga ireto farany nifantoka misimisy kokoa tamin’ny fitadiavana ny sakafo hoanina isan’andro. Nivaha tsikelikely anefa izay taorian’ny tantsoroka natolotry ny FID, izay mpanatanteraka ny fandaharanasa « vatsin’ankohonana » ka isan’ny seham-pihariana nentin’ity fandaharanasa ity nitaritana azy ireo hihoatra lavitra amin’ny fiainana ny resaka asa-tanana, fambolena, fiompiana. Efa eo am-pijerena ny tohana entina hanohanana ny zava-bitan’ireo mpisitraka ireo ihany koa ny tompon’andraikitra any an-toerana amin’izao fotoana. Tsiahivina fa kaominina miisa 16 amin’ny 21 ao amin’ny distrikan’i Vohipeno no misitraka ny fandaharanasa vatsin’ankohonana nanomboka ny taona 2016 ka hatramin’ny volana febroary taona 2022. Mpisitraka « vatsin’ankohonana » manodidina ny 4000 amin’ireo 8500 no tsy nanana karapanondro tany am-piandohana.
Legende 2 : tantsaha mpisitraka ny vatsin’ankohonana
Lalaina Rav
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap
22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap