airtel

Sosialy

29-janv-2021

Sosialy

Voina any Maroantsetra Nitondra fanampiana ny governemanta

Sample post image

Nidina tany amin’ny distrikan’i Maroantsetra, Faritra Analanjirofo ny Praiminisitra Ntsay Christian,

29-janv-2021

 

 

 

 notronina mpikambana sasantsasany ao amin’ny governemanta, nijery ny toe-java-misy ary nitondra ireo fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana noho ny voka-dratsin’ny rivodoza. Ny kaominina Anjanazana, Ambinanitelo ary Mariarano no notsidihin’ny delegasiona. Nambaran’ny Praiminisitra fa vahaolana vonjimaika entina hamonjena ireo tena voa mafy fotsiny ihany ireto nentina ireto, ka anjaran’ny Ministeran’ny Mponina sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao Maroantsetra ny fitsinjarana ny vary, voamaina, tafo fanitso, ary simenitra . Nandritra izao fitsidihana izao ihany koa no niresahana vinam-pampandrosoana maro. Nambara fa hisitraka CEG manara-penitra ny Kaominina Mariarano ary hitadiavana vahaolana ny tsy fahampian’ny mpampianatra. Hametrahana hopitaly manara-penitra ihany koa ao Maroantsetra izay renivohitry ny distrika, ary tsy ho ela dia ho tonga ao an-toerana ny fiara mpitondra marary (ambulance). Nilaza ny Praiminisitra fa ho avy tsy ho ela ireo fitaovana fanamboaran-dalana izay nampanantenain’ny Filohan’ny Repoblika ary dia haverina amin’ny laoniny sy harenina ireo lalana rehetra ho fanamorana ny famoaham-bokatra. Velaran-tany 40 000ha no azo trandrahana ao Maroantsetra, hoy hatrany izy, ka ilana fanarenana araka izany ireo fotodrafitrasa fototra eo amin’ny sehatry ny fambolena, toy ny toha-drano. Taorian’ny fitsidihana kaominina telo, nitarika dinika arak’asa tao amin’ny kaominina ambonivohitr'i Maroantsetra niaraka tamin’ireo solotenam-panjakana sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny any amin’ny Faritra, ny Praiminisitra. Ny fampandehanana ny asam-panjakana amin'ny ankapobeny no nifantohan'ny dinika.

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap