airtel

Sosialy

11-mai-2022

Sosialy

Voka-dratsin’ny rivodoza Nihena ny voka-bary safiotra

Sample post image

Nihena tsy toy ny mahazatra isan-taona ihany koa ny vokatra vary safiotra na “riz hybride” ho an’ity taona 2022 ity.

11-mai-2022

Raha ny fampahafantarana voaray avy eo anivon’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana dia nidina ho 9 taonina hatramin’ny 10 taonina isaky ny hektara ny vokatra tamin’ity raha toa ka 11 taonina fara faha keliny ny hatramin’izay. Na izany na tsy izany aza anefa dia mbola betsaka lavitra mitaha amin’ireo voka-bary mahazatra izay 5 hatramin’ny 6 taonina isaky ny hektara izany. Vokatry ny fandalovan’ny andro ratsy na ny rivodoza farany teto Madagasikara teo moa no voalaza fa tena hita ho antony nahatonga ny fidinan’ny voka-bary safiotra izay. Tsiahivina fa ny tetikasa vary safiotra dia fiaraha-miasa amin’ny rafitry ny firenena mikambana miompana amin’ny sakafo na FAO ary ifamatoran’ny firenena sinoa sy Malagasy kokoa, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap